-
Fenoin’i Jehovah Voninahitra sy Fahazavana ny VahoakanyNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Jolay
-
-
Tonga ny fotoana hitsanganan’ilay vehivavy sy hampamirapiratany ny fahazavan’Andriamanitra, na ny voninahiny. Nahoana? Mamaly toy izao ny andininy manaraka: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.” (Isaia 60:2)
-
-
Fenoin’i Jehovah Voninahitra sy Fahazavana ny VahoakanyNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Jolay
-
-
5 Sady mampiditra no mamintina ny Isaia toko faha-60, ireo teny mampientam-po ao amin’ireo andininy telo voalohany ireo. Milaza mialoha ny zavatra hitranga amin’ilay vehivavy an’ohatra io toko io. Manazava ny fomba hijanonantsika ao amin’ny fahazavan’i Jehovah koa izy io, na dia ao anatin’ny haizina aza ny olombelona. Fanoharana anefa no hita ao amin’ireo andininy telo fampidirana ireo. Inona àry no mifanitsy amin’izy ireo?
6. Iza ilay vehivavy ao amin’ny Isaia toko faha-60, ary iza no solontenany eto an-tany?
6 Ilay vehivavy ao amin’ny Isaia 60:1-3 dia i Ziona na ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra voaforon’ireo anjely. Manana solontena eto an-tany i Ziona ankehitriny. Izany dia ny sisa amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, na ny fitambaran’ny Kristianina voahosotry ny fanahy eran-tany, izay manantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Galatiana 6:16) Misy mpikambana 144 000 io firenena ara-panahy io, ary tanteraka indrindra amin’ireo mbola velona eto an-tany mandritra ny andro farany ny Isaia toko faha-60 ankehitriny. (2 Timoty 3:1; Apokalypsy 14:1)
-
-
Fenoin’i Jehovah Voninahitra sy Fahazavana ny VahoakanyNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Jolay
-
-
7. Nanao ahoana i Ziona tamin’ny 1918, ary inona no nambaran’ny faminaniana momba izany?
7 Efa tao anatin’ny haizina ve ny “Isiraelin’Andriamanitra”, araka ny nasehon’ilay vehivavy ao amin’ny faminanian’i Isaia? Eny, maherin’ny 80 taona lasa izay. Niady mafy ny Kristianina voahosotra mba hanohizana ny asa fitoriana nandritra ny Ady Lehibe I. Saika nijanona tanteraka anefa ilay asa tamin’ny 1918, taona nifaranan’ilay ady. I Joseph Rutherford no nanara-maso ny asa fitoriana maneran-tany tamin’izay. Nisy fiampangana diso anefa natao taminy sy ny Kristianina hafa nitana andraikitra lehibe, ka nomelohina hiditra an-tranomaizina ela be izy ireo. Lazain’ny faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy fa tamin’izay, ny Kristianina voahosotra teto an-tany dia toy ny faty ‘niampatra teny an-dalam-be amin’ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta.’ (Apokalypsy 11:8) Tena fotoana maizina tokoa tamin’izay ho an’i Ziona, izany hoe ho an’ny zanany voahosotra teto an-tany!
8. Inona no fiovana lehibe nitranga tamin’ny 1919, ary inona no vokany?
8 Nisy fiovana lehibe anefa tamin’ny 1919. Nomen’i Jehovah fahazavana i Ziona! Niarina ireo sisa mbola velona tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra mba hampamirapiratra ny fahazavan’Andriamanitra. Tsy natahotra ny hanambara indray ny vaovao tsara izy ireo. (Matio 5:14-16)
-