-
Miely Maneran-tany ny Fivavahana MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
11, 12. a) Inona no hitan’ilay vehivavy nibanjina ny tany andrefana? b) Nahoana no maro be no maika nankany Jerosalema?
11 Nasain’i Jehovah nitodika tany andrefana izao ilay vehivavy, ary nanontaniany hoe: “Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny?” I Jehovah ihany no namaly izany toy izao:
-
-
Miely Maneran-tany ny Fivavahana MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
12 Aoka hatao hoe miara-mijoro amin’ilay vehivavy ianao, ary mibanjina ny any amin’ny farany andrefana amin’ny Ranomasina Lehibe. Inona no hitanao? Pentimpentina fotsy be dia be, toy ny rahona eo ambony rano. Toa vorona ny fahitanao azy, nefa rehefa manatona izy ireo, dia hitanao fa sambo namelatra ny lainy. “Avy lavitra” izy ireo.a (Isaia 49:12) Maro be ireo sambo manatona haingana an’i Ziona ireo, ka toy ny andiam-boromahailala mody ny fahitana azy.
-