FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mitsimoka ao Ziona ny Fahamarinana
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 16. Iza no nanampy ny Kristianina voahosotra hanao ny asa fanarenany, ary inona no asa nankinina tamin’izy ireo?

      16 Iza no hanampy ny sisa amin’ny Isiraelin’Andriamanitra hanao io asa goavana io? Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia: “Ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman-osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanimboaloboka ho anareo.” (Isaia 61:5) Ireo vahiny sy hafa firenena ireo dia ny “olona betsaka” anisan’ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy.a (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:11, 16) Tsy voahosotry ny fanahy masina izy ireo, fa manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany zary paradisa kosa. (Apokalypsy 21:3, 4) Na izany aza, dia tia an’i Jehovah sy nanankinana andraikitra koa izy ireo: Fiandrasana ondry sy fiasana tany ary fikarakarana tanimboaloboka, amin’ny heviny ara-panoharana. Tsy asa ambany akory ireo. Tarihin’ny sisa amin’ny Isiraelin’Andriamanitra ireo mpiasa ireo, ary manampy azy ireo hiandry sy hikarakara ary hanangona olona, amin’ny heviny ara-panoharana.—Lioka 10:2; Asan’ny Apostoly 20:28; 1 Petera 5:2; Apokalypsy 14:15, 16.

  • Mitsimoka ao Ziona ny Fahamarinana
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • a Nety ho tanteraka fahiny ny Isaia 61:5, satria nisy tsy Jiosy niara-niverina tamin’ny Jiosy tany Jerosalema sy nanampy azy ireo hamerina ilay tany tamin’ny laoniny. (Ezra 2:43-58)

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara