-
Mitsimoka ao Ziona ny FahamarinanaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
17. a) Ahoana no hiantsoana ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra? b) Inona no hany fanatitra nilaina mba hamelana ny fahotana?
17 Ahoana kosa ny amin’ny Isiraelin’Andriamanitra? Hoy i Jehovah taminy, tamin’ny alalan’i Isaia: “Hianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo; ho lasanareo ny haren’ny firenena, ary handimby voninahitra azy hianareo.” (Isaia 61:6) Ny Levita mpisorona no notendren’i Jehovah hanolotra ny fanatitry ny mpisorona sy ny Isiraelita hafa, teo amin’ny Isiraely fahiny. Kanefa nosoloan’i Jehovah fandaharana tsara kokoa izany tamin’ny taona 33. Nekeny ny fanatitra nataon’i Jesosy, dia ny ainy lavorary, mba hanavotana ny olombelona amin’ny fahotany. Tsy nisy fanatitra hafa nilaina intsony nanomboka tamin’izay, satria manan-kery mandrakizay ny an’i Jesosy.—Jaona 14:6; Kolosiana 2:13, 14; Hebreo 9:11-14, 24.
18. Karazana mpisorona manao ahoana ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra, ary inona no asaina ataony?
18 Amin’ny heviny ahoana àry ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy no “mpisoron’i Jehovah”? Hoy ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina voahosotra namany: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjaka-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.” (1 Petera 2:9) Mpisorona asaina manao asa voafaritra tsara ny Kristianina voahosotra: hilaza momba ny voninahitr’i Jehovah amin’ny firenena. Tokony ho vavolombelony izy ireo. (Isaia 43:10-12) Nanatontosa io asa tena lehibe io tamim-pahatokiana ny Kristianina voahosotra, nandritra izao andro farany izao. Olona an-tapitrisa izao no manambara ny Fanjakan’i Jehovah miaraka aminy, ho vokatr’izany.
19. Inona no fanompoana hotontosain’ny Kristianina voahosotra?
19 Mpisorona hanompo amin’ny fomba hafa koa ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra. Rehefa maty izy ireo, dia hatsangana ho zavaboary ara-panahy any an-danitra, ary tsy ho faty mihitsy. Tsy ho mpanjaka miaraka amin’i Jesosy fotsiny izy ireo any, fa ho mpisoron’Andriamanitra koa. (Apokalypsy 5:10; 20:6) Ireo mpisorona ireo dia hampihatra ny vokatry ny sorom-panavotan’i Jesosy amin’ny olombelona mahatoky eto an-tany. Antsoina hoe ‘hazo’ indray izy ireo ao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy toko faha-22. Asehon’ny fahitany fa any an-danitra ireo ‘hazo’ 144 000 ireo, ary “mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana ary ny [raviny] dia ho fanasitranana ny firenena maro.” (Apokalypsy 22:1, 2) Tena mahatalanjona tokoa ny fanompoana hataon’ireo mpisorona ireo!
-
-
Mitsimoka ao Ziona ny FahamarinanaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Kanefa toa teo amin’ny Isiraelin’Andriamanitra ihany ny Isaia 61:6-11 no tanteraka.
-