FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Ny famindram-pon’Andriamanitra

      14. Inona izao no ampahatsiahivin’i Isaia an’ilay vahoaka?

      14 Vetivety dia hadinon’ny Jiosy fahizay ireo zavatra nataon’i Jehovah ho azy. Tena mety àry ny ampahatsiahivan’i Isaia azy ireo ny antony nanaovan’i Jehovah ireny zavatra ireny. Hoy izy: “Ny famindrampon’i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an’i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben’ny fahasoavana tamin’ny taranak’Isiraely, izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben’ny famindrampony.

  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Isaia 63:7

  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 15. Tamin’ny fomba ahoana ary nahoana i Jehovah no naneho famindram-po tamin’ny taranak’i Abrahama tany Ejipta?

      15 Tena ohatra miavaka no nomen’i Jehovah, raha ny amin’ny famindram-po, na fitiavana tsy mivadika! (Salamo 36:7; 62:12) Tsy nivadika tamin’ny fitiavany an’i Abrahama i Jehovah. (Mika 7:20) Nampanantena azy i Jehovah hoe amin’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. (Genesisy 22:17, 18) Tsy nivadika tamin’io teny nataony io Jehovah, ka naneho hatsaram-po be tamin’ny taranak’i Isiraely. Anisan’ny niavaka indrindra tamin’izany ny nanafahany ny taranak’i Abrahama avy tamin’ny fahababoana tany Ejipta.—Eksodosy 14:30.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara