-
Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
-
-
Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
16. a) Inona no fomba fihevitr’i Jehovah, fony izy nanao fanekena tamin’ny Isiraely? b) Ahoana no itondran’Andriamanitra ny vahoakany?
16 Rehefa niala tany Ejipta ny Isiraelita, dia nentin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ary nampanantenainy hoe: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy . . . Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” (Eksodosy 19:5, 6) Nisy fitaka na fanambakana ve tao amin’izany fanolorana nataon’i Jehovah izany? Tsia, satria ahariharin’i Isaia eto fa nilaza i Jehovah tamin’izay hoe: “Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga.” Hoy ny manam-pahaizana iray: “Ilay hoe ‘tokoa’ akory tsy didin’ny mpanjaka to teny, na tenin’ny mahay milaza ny hoavy, fa tenin’ny manam-pitiavana izay manantena sy matoky ny olony.” Eny, nanao ny fanekeny tamin’ny fo madio tanteraka i Jehovah, satria tena tiany hankatò sy hahazo ilay valisoa ny vahoakany. Mbola naneho ny fatokisany azy ireo ihany izy, na dia maro aza ny kileman-toetran’izy ireo. Tena mahafinaritra ny manompo Andriamanitra matoky ny mpivavaka aminy toy izany! Mampahery an’ilay vahoakan’Andriamanitra nankinina taminy ny anti-panahy ankehitriny, rehefa tsy miahiahy fa matoky ny hatsaram-pon’izy ireo toy izany koa.—2 Tesaloniana 3:4; Hebreo 6:9, 10.
-