FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Tahaka ny fidinan’ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ny Fanahin’i Jehovah fitsaharana ho azy.”—Isaia 63:11-14a.

  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Notarihin’Andriamanitra izy ireo avy eo hivoaka an’ilay efitra lehibe sy nahatahotra mba hiditra tao amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nahitany fitsaharana. (Deoteronomia 1:19; Josoa 5:6; 22:4) Nijaly anefa ny Isiraelita izao, satria tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra intsony!

      ‘Anarana be voninahitra ho an’ny tenany’

      21. a) Inona no tombontsoa lehibe nifandray tamin’ny anaran’Andriamanitra nety ho azon’ny Isiraely? b) Inona no antony lehibe indrindra nanafahan’Andriamanitra ny Isiraelita avy tany Ejipta?

      21 Na izany aza, dia tsinontsinona ny famoizana ireo zavatra ara-nofo ireo, raha oharina amin’ny famoizana ilay tombontsoa hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra. Hoy i Mosesy tamin’ny Isiraelita: “Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mandeha amin’ny làlany. Dia ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa ny anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.” (Deoteronomia 28:9, 10) Tsy mba hanamorana na hampahafinaritra ny fiainan’ny taranak’i Abrahama fotsiny no namonjen’i Jehovah azy ireo avy tany Ejipta. Misy antony lehibe lavitra noho izany, dia ny anarany. Eny, nataony izay ‘hanambarana ny anarany any amin’ny tany rehetra.’ (Eksodosy 9:15, 16) Ary tsy fihetseham-po fotsiny koa no nahatonga azy hamindra fo, rehefa nikomy ny Isiraelita tany an’efitra. Hoy izy: “Niasa noho ny amin’ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason’ny jentilisa.”—Ezekiela 20:8-10.

      22. a) Nahoana Andriamanitra no hiady ho an’ny vahoakany indray amin’ny hoavy? b) Manosika antsika hanao inona ny fitiavantsika ny anaran’Andriamanitra?

      22 Teny manan-kery no namaranan’i Isaia ny faminaniany avy eo! Hoy izy: “Tahaka izany no nitondranao ny olonao, mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.” (Isaia 63:14b) Mazava tsara izao ny antony niadian’i Jehovah ho an’ny vahoakany. Izany dia ny mba hanaovana anarana be voninahitra ho an’ny tenany. Ampahatsiahivin’ny faminanian’i Isaia àry fa sady tombontsoa tsy manam-paharoa no andraikitra goavana ny mitondra ny anaran’i Jehovah. Tia ny anaran’i Jehovah mihoatra noho ny ainy ny Kristianina marina ankehitriny. (Isaia 56:6; Hebreo 6:10) Halan’izy ireo ny hanao na inona na inona mety hahafa-baraka an’io anarana masina io. Tsy mivadika amin’Andriamanitra izy ireo, ho setrin’ny fitiavany tsy mivadika. Noho ny fitiavan’izy ireo an’io anarana be voninahitra io koa, dia tsy andrin’izy ireo ny andro hanosihosen’i Jehovah ny fahavalony ao amin’ny famiazam-boaloboky ny fahatezerany. Tsy ho famonjena azy ireo fotsiny izany, fa ho fanomezam-boninahitra ny anaran’ilay Andriamanitra tiany koa.—Matio 6:9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara