FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • b Nanazava io andininy io ilay mpandika tenin’ny Baiboly nantsoina hoe Jérôme (teraka tamin’ny taonjato fahefatra), ary nilaza momba ny fanao narahin’ny mpanompo sampy tamin’ny andro farany amin’ny taona. Hoy izy: “Nametraka karazan-tsakafo be dia be sy divay mamy teo ambony latabatra izy ireo, mba hialan’ny vintan-dratsy ka ho taon-jina ilay taona lasa na ilay taona vaovao.”

  • “Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Natoky ny andriamanitry ny Vintana Tsara izy ireo

      13, 14. Inona avy no nataon’ny vahoakan’Andriamanitra, ka mampiseho fa nandao azy izy ireo, ary inona no hanjo azy ireo?

      13 Mitodika any amin’ireo nandao an’i Jehovah sy nikiry hanompo sampy indray izao i Isaia. Hoy izy: “Ny aminareo izay mahafoy an’i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an’i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Menỳ.” (Isaia 65:11) Namelatra latabatra nisy zava-pihinana sy fisotro ho an’i “Gada” (andriamanitry ny Vintana Tsara) sy “Menỳ” (andriamanitry ny Lahatra) ireny Jiosy nania ireny, ho fanarahana ny fanaon’ny mpanompo sampy nanodidina.b Inona no hanjo an’ireo ninonino foana ny andriamanitra toy ireny?

  • “Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 15. Inona no ataon’ny Kristianina marina ankehitriny, ho fankatoavana ny fampitandreman’ny Isaia 65:11, 12?

      15 Mankatò ilay fampitandremana ao amin’ny Isaia 65:11, 12 ny Kristianina marina ankehitriny. Tsy mino ny “Vintana Tsara” izy ireo, toy ny hoe afaka manao soa ny hery ivelan’ny tontolon’ny olombelona toy izany. Tsy mandanilany foana ny fananany izy ireo, mba hampiononana ny andriamanitry ny Vintana Tsara, ary manalavitra ny filokana amin’ny endriny rehetra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara