FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 17, 18. Hidika ho fitahiana inona avy ho an’ny Isiraely ny faharesen’i Babylona?

      17 Hitondra fanamaivanana ho an’ny Isiraely ny fianjeran’i Babylona. Ny dikan’izany dia hoe ho afaka amin’ny fahababoana izy ireo ary hanana fahafahana hiverina any amin’ny Tany Nampanantenaina. Noho izany, dia nilaza i Isaia izao hoe: “Jehovah hamindra fo amin’i Jakoba ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak’i Jakoba ho namany.

  • Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • Isaia 14:1,

  • Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • Ny hoe “Jakoba” eto dia manondro ny Isiraely tamin’ny fitambarany​—ireo foko 12 rehetra. Haneho famindram-po amin’i “Jakoba” i Jehovah, amin’ny famelana ilay firenena hiverina hody.

  • Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 19. Inona no nilaina, raha tian’ny Isiraely ny hahazo ny famelan-keloka avy amin’i Jehovah, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

      19 Na izany aza, dia tsy hoe tsy nisy fepetra ny famindram-pon’i Jehovah. Tsy maintsy naneho fanenenana noho ny faharatsiany, izay nanosika an’Andriamanitra hanafay azy ireo tamin’ny fomba henjana toy izany, ilay vahoakany. (Jeremia 3:25). Hahazoany ny famelan-keloka avy amin’i Jehovah ny fiekeny heloka amim-pahatsorana sy avy amin’ny fo. (Jereo ny Nehemia 9:6-37; Daniela 9:5.)

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara