FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • Amin’izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin’i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin’ny tany;

  • Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 37. Ahoana no ampisehoan’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro fa toy ny misy lalambe iray mampifandray an’i “Asyria” sy i “Egypta”?

      37 Amin’izao andro izao, dia “ho fitahiana eo amin’ny tany” ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy voahosotra. Mampandroso ny fivavahana marina izy ireo, ary manambara ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona any amin’ny firenena rehetra.

  • Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 38. a) Amin’ny ahoana ny Isiraely no “ho fahatelony amin’i Egypta sy i Asyria”? b) Nahoana i Jehovah no nilaza hoe ‘Hotahina anie ny oloko’?

      38 Amin’ny ahoana anefa “ny Isiraely no ho fahatelony amin’i Egypta sy Asyria”? Teo am-piandohan’ny “andro farany”, dia anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” ny ankamaroan’ireo izay nanompo an’i Jehovah teto an-tany. (Daniela 12:9; Galatiana 6:16). Nanomboka tamin’ireo taona 1930, dia niseho ny olona betsaka amin’ny “ondry hafa”, izay manantena ny hiaina eto an-tany. (Jaona 10:16a; Apokalypsy 7:9). Mivoaka avy amin’ireo firenena​—nasehon’i Ejipta sy i Asyria​—izy ireo, ka mirohotra ho amin’ny tranon’i Jehovah fanolorana fanompoam-pivavahana ary manasa ny hafa hiaraka aminy. (Isaia 2:2-4). Manatontosa ilay asa fitoriana ataon’ireo rahalahiny voahosotra koa izy ireo, miaritra fitsapana mitovy amin’ny azy, maneho fahatokiana sy tsy fivadihana tahaka azy, ary mivelona amin’ny sakafo ara-panahy mitovy amin’ny azy. Tena ‘andiany iray, manana mpiandry iray ihany’ tokoa ny voahosotra sy ny “ondry hafa”. (Jaona 10:16b).

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara