FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mampietry ny Manambony Tena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 7 Ho avy ny “andron’i Jehovah, Tompon’ny maro”. Izy io dia ho fotoana hanehoan’Andriamanitra ny fahatezerany amin’ny “sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, sy ny hazo ôka rehetra any Basana sy ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina sy ny tilikambo miringiringy rehetra sy ny mànda mafy rehetra sy ny sambon’i Tarsisy rehetra sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra”. (Isaia 2:12-16). Eny, ny fikambanana rehetra natsangan’olombelona hireharehany, sy ny olona rehetra tsy tia an’Andriamanitra, dia hotsaraina amin’ny andron’ny fahatezeran’i Jehovah.

  • Mampietry ny Manambony Tena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 8. Ahoana no nahatanterahan’ilay andro fitsarana nambara mialoha tamin’i Jerosalema, tamin’ny 607 al.f.i.?

      8 Nihatra tamin’ireo Jiosy tamin’ny 607 al.f.i. ilay andro fitsarana nambara mialoha, fony nandringana an’i Jerosalema i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Nahita ilay tanàna malalany nirehitra, sy ireo tranony nireharehany rava, ary ireo mandany natanjaka potipotika, ny mponina tao. Poti-javatra no sisa tavela tamin’ny tempolin’i Jehovah. Na ny harenany na ny kalesiny dia samy tsinontsinona, tamin’ny “andron’i Jehovah, Tompon’ny maro”.

  • Mampietry ny Manambony Tena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • Ilay “andron’i Jehovah” mananontanona

      10. “Andron’i Jehovah” inona moa no noresahin’ny apostoly Paoly sy Petera?

      10 Ny Soratra Masina dia manondro “andron’i Jehovah” iray izay ho lehibe lavitra noho ilay andro fitsarana nihatra tamin’i Jerosalema sy i Joda fahiny. Nampifandraisin’ny apostoly Paoly, nahazo tsindrimandry, tamin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy, Mpanjaka nomena fiandrianana, ilay “andron’i Jehovah” ho avy. (2 Tesaloniana 2:1, 2, NW ). I Petera dia nanonona io andro io, fony izy niresaka momba ny fiorenan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. (2 Petera 3:10-13). Izy io ilay andro hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany amin’ny fandehan-javatra ratsy manontolo, anisan’izany ny Tontolo Lazaina fa Kristianina.

      11. a) Iza no ‘hahatanty’ ilay “andron’i Jehovah” ho avy? b) Ahoana no ahafahantsika manao an’i Jehovah ho fialofantsika?

      11 “Indrisy ny andro!”, hoy i Joela mpaminany, “fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny”. Rehefa heverina ny fahantomoran’io “andro” io, moa ve tsy tokony ho zavatra hahin’ny rehetra ny ho voaro? “Iza no mahatanty izany?”, hoy i Joela nanontany. Namaly izy hoe: “Jehovah no fialofan’ny olony”. (Joela 1:15; 2:11; 4:16). Moa ve i Jehovah Andriamanitra ho fialofana ho an’ireo mieboebo sy mametraka ny fitokisany amin’ny harena sy ny hery ara-tafika ary ny andriamanitra nataon’olombelona? Na oviana na oviana! Na dia ilay vahoaka nofidiny aza dia nolavin’Andriamanitra, rehefa nanao zavatra toy izany izy ireo. Tena iankinan’ny ain’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra àry ny ‘hitadiavana ny fahamarinana sy ny hitadiavana ny fandeferana’ ary ny handinihana amim-pitandremana ny toerana tanan’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah eo amin’ny fiainany!​—Zefania 2:2, 3.

  • Mampietry ny Manambony Tena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 15. Amin’ny ahoana no hoe i “Jehovah ihany no hisandratra”, amin’ny andro fitsarany?

      15 Na dia mety ho ireo tandroka folo ara-panoharana ireo aza no hanao ilay fandravana sy fandoroana an’i Babylona Lehibe, raha ny marina, dia ho fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah izany. Hoy ny ambaran’ny Apokalypsy 18:8 momba an’i Babylona Lehibe: “Koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.” Koa i Jehovah Andriamanitra, ilay Tsitoha, àry no hahazo ny voninahitra, noho ny fanafahana ny olombelona avy amin’ny fanapahan’ny fivavahan-diso. Araka ny nambaran’i Isaia, dia i ‘Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany, fa andron’i Jehovah, Tompon’ny maro, izany’.​—Isaia 2:11b, 12a.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara