FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 7. Inona moa no asehon’ny hoe “lanitra”, sy ny hoe “tafiky ny lanitra”?

      7 Nampiasa sarin-teny mazava toy ny hitan’ny maso indray i Isaia, nanohy ny teniny toy izao: “Izay rehetra [ao amin’ny tafiky ny, “NW” ] lanitra dia ho levona, ary ny lanitra hahorona tahaka ny [horonam-boky, “NW” ]; ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ny aviavy.” (Isaia 34:4). Ilay teny hoe ‘izay rehetra ao amin’ny tafiky ny lanitra’ akory tsy manondro ny kintana sy ny planeta ara-bakiteny. Ny andininy faha-5 sy faha-6 dia miresaka momba ny fampiharana didim-pitsarana, oharina amin’ny sabatra vonton-dran’ireo izay any amin’ireo “lanitra” ireo. Noho izany, dia tsy maintsy ho sary mampiseho zavatra eo amin’ny tontolon’ny olombelona io teny io. (1 Korintiana 15:50). Noho ny fahamboniany, ireo fahefana lehibe, na fitondram-panjakan’olombelona, dia oharina amin’ny lanitra manapaka ny fitambaran’olona eto an-tany. (Romana 13:1-4). Ilay “tafiky ny lanitra” àry dia mampiseho ny tafik’ireo fitondram-panjakan’olombelona ireo mitambatra.

      8. Inona no hevitry ny hoe ho “tahaka ny horonam-boky” ireo lanitra ara-panoharana, ary inona no hanjo an’ireo ‘tafiny’?

      8 Ho “levona”, na ho potipotika, sahala amin’ny zavatra mety simba, io “tafika” io. (Salamo 102:26; Isaia 51:6). Ny maso tsotra mijery ny lanitra ara-bakiteny eo ambonintsika dia mahita azy io ho mivohon-tsotro, toy ny horonam-boky tranainy, izay nahitana ny soratra teo amin’ny atiny mazàna. Rehefa avy nandalo teo anoloan’ny mason’ny mpamaky azy ilay soratra teo amin’ny atin’ilay horonana, dia nahorona ilay horonana voavaky ary nampirimina. Toy izany koa, ‘ny lanitra dia hahorona tahaka ny horonam-boky’, amin’ny heviny hoe tsy maintsy hifarana ireo fitondram-panjakan’olombelona. Hahatratra ny pejy farany amin’ny tantarany izy ireo, ka tsy maintsy hofaranana ao amin’i Haramagedona. Ireo “tafika” mahazendana ireo dia hianjera toy ny ravina malazo mihintsana avy amin’ny voaloboka na “avy amin’ny aviavy”. Ho vita eo ny amin’izy ireo.​—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 6:12-14.

  • Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • [Sary, pejy 360]

      ‘Ny lanitra dia hahorona tahaka ny horonam-boky’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara