FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 14, 15. a) Inona no hanjo ny tanin’i Edoma sy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina? b) Milaza inona ny hoe dity mirehitra sy ny hoe setroka maharitra mandrakizay, ary tsy milaza inona kosa izy ireo?

      14 Noho izany, rehefa mandinika ny tapany farany amin’io faminanian’i Isaia io isika, dia hieritreritra, tsy an’i Edoma fahiny ihany, fa ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina koa. “Hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra,

  • Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • Isaia 34:9,

  • Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • Nanjary tany karankaina aoka izany i Edoma, hany ka toy ny solifara ny vovo-tany, ary feno dity, fa tsy rano, ny renirano. Avy eo, dia narehitra ireo zavatra mora may ireo!​—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 17:16.

      15 Misy mihevitra fa porofon’ny fisian’ny afobe mirehitra ny fanononana ny afo sy ny dity ary ny solifara. Tsy natsipy tao amin’ny afobe iray noforonin’ny saina fotsiny, mba hodorana ao mandrakizay, anefa i Edoma. Noringanina kosa izy, ka nanjavona tsy hita intsony eo amin’ny sehatr’ity tontolo ity, toy ny hoe nolevonin’ny afo sy ny solifara. Araka ny tohin’ilay faminaniana, ny fiafarany farany dia, tsy fijaliana mandrakizay akory, fa ‘[fahabangana, NW ], fahafoanana, fahafonganana’. (Isaia 34:11, 12).

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara