FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 16, 17. Ho tonga inona moa i Edoma, ary hafiriana izy no ho toy izany?

      16 Mbola mitohy ny faminanian’i Isaia, ka manambara fa bibidia no haka ny toeran’ny mponin’i Edoma, ka izany dia milaza fahafoanana. “Hatramin’ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay. Fa ho zara-tanin’ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina [fahabangana, “NW” ] sy ny pilao fahafoanana. Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ny lapan’ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin’ny trano fiarovany; ary ho fonenan’ny amboadia sy fitoeran’ny ostritsa izy. Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin’ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; ary ilay mandehandeha amin’ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy. Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody”.​—Isaia 34:10b-15.a

      17 Eny, ho tonga tany foana sy hay i Edoma, ka tsy hahitana afa-tsy bibidia sy vorona ary bibilava.

  • Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • a Tamin’ny andron’i Malakia, dia efa tanteraka io faminaniana io. (Malakia 1:3). Nitantara izy fa nanantena ny honina indray tao amin’ilay taniny tonga lao ny Edomita. (Malakia 1:4). Kanefa, tsy izany no sitrapon’i Jehovah, ary tatỳ aoriana, dia vahoaka hafa, ny Nabateanina, no nonina tao amin’ny tanin’i Edoma.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara