-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Nifaly ny vahoakan’i Jehovah
17. Ahoana no nahazoan’ireo Jiosy nahatoky fampiononana avy tamin’ny faminanian’i Isaia, fony izy ireo tany an-tsesitany nandritra ny ela be?
17 Mifarana amin’izao teny maneho hafaliana izao ny toko faha-35 amin’ny faminanian’i Isaia: “Ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.” (Isaia 35:10). Ny Jiosy babo izay nitodika tany amin’io faminaniana io mba hahazoana fampiononana sy fanantenana, fony izy ireo tany an-tsesitany, dia mety ho nanontany tena hoe ahoana no hahatanterahan’ireo tsipiriany samy hafa tao aminy. Azo inoana fa tsy takatr’izy ireo ny hevitry ny lafiny maro tamin’ilay faminaniana. Na izany aza, dia nazava tamin’izy ireo fa “hiverina ka hankany Ziona” izy ireo.
18. Tamin’ny heviny ahoana no hoe nisolo ho fifaliana sy faharavoravoana tao amin’ilay tany tafaverina tamin’ny laoniny, ilay alahelo sy fisentoana tany Babylona?
18 Noho izany, tamin’ny taona 537 al.f.i., dia nisy lehilahy tokony ho 50 000 (anisan’izany ny andevo 7 000) niaraka tamin’ny zaza amam-behivavy, nanao ilay dia haharitra efa-bolana, mba hiverina tany Jerosalema, feno fatokisana tanteraka an’i Jehovah. (Ezra 2:64, 65). Volana vitsivitsy monja tatỳ aoriana, dia voaorina indray ny alitaran’i Jehovah, ka izany no dingana voalohany ho amin’ny fanorenana indray ny tempoly tamin’ny fomba feno. Tanteraka ilay faminaniana nolazain’i Isaia 200 taona tany aloha. Nisolo ho fifaliana sy faharavoravoana tao amin’ilay tany tafaverina tamin’ny laoniny, ilay alahelo sy fisentoana tsapan’ilay vahoaka tany Babylona. Nitana ny teny nataony i Jehovah. Tafaverina ilay Paradisa—na ara-bakiteny na ara-panahy!
Ny nahaterahan’ny firenena vaovao iray
19. Nahoana no tsy maintsy lazaina fa voafetra ihany ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia tamin’ny taonjato fahenina al.f.i.?
19 Mazava ho azy fa voafetra ny fahatanterahan’ny Isaia toko faha-35 tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. Tsy naharitra ireo toe-piainam-paradisa nankafizin’ireo Jiosy tafody tany an-tanindrazany. Tatỳ aoriana, dia nandoto ny fivavahana madio ny fampianaran-diso ara-pivavahana sy ny fanindrahindram-pirenena. Nahatsapa alahelo sy fisentoana indray ireo Jiosy, teo amin’ny lafiny ara-panahy. Tamin’ny farany, dia nolavin’i Jehovah tsy ho vahoakany intsony izy ireo. (Matio 21:43). Noho ilay tsy fankatoavana indray, dia tsy naharitra ny fifalian’izy ireo. Izany rehetra izany dia manondro fa hanana fahatanterahana lehibe kokoa sy atỳ aoriana kokoa ny Isaia toko faha-35.
-
-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Nisy hiaka feno hafaliana re, rehefa nambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fito herinandro taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty, i Jesosy nomem-boninahitra dia nanorina ny kongregasiona kristianina—Isiraely ara-panahy voaforon’ny Jiosy sy ny hafa izay navotan’ny ra nalatsak’i Jesosy, ary nateraka ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra sady rahalahin’i Jesosy, ary koa voahosotry ny fanahy masina.—Asan’ny Apostoly 2:1-4; Romana 8:16, 17; 1 Petera 1:18, 19.
-
-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Ny zava-dehibe kokoa dia ny nahafahan’ireo olona nahitsy fo nandositra ny fivavahan-diso, ka nankafy paradisa ara-panahy teo anivon’ny kongregasiona kristianina. (Isaia 52:11; 2 Korintiana 6:17). Toy ireo Jiosy niverina avy tany Babylona, ireo afa-nandositra ireo dia nahita fa tena nilaina ny fahaiza-mijery lafy tsaran-javatra sy ny herim-po.—Romana 12:11.
-