-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Aza matahotra!
12. Toky inona no nomen’i Jehovah ny Isiraely?
12 Nampitodika ny sainy tany amin’ny vahoakany i Jehovah izao. Tsy nisy antony tokony hatahoran’ireo nitoky tamin’ilay Andriamanitra marina, tsy toy ireo firenena nitoky tamin’ny sampy tsy nanana aina. Mba hanomezan-toky azy ireo, dia nampahatsiahivin’i Jehovah aloha fa taranak’i Abrahama sakaizany ny Isiraely. Nampita ireto tenin’i Jehovah feno fanehoam-pitiavana ireto i Isaia: “Hianao . . ., ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako,
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
13. Nahoana no hampionona an’ireo Jiosy babo ny tenin’i Jehovah?
13 Tena fampiononana ho an’ireo Jiosy nahatoky babo tany an-tanin’olona tokoa izany teny izany! Tena hampahery azy ireo tokoa ny handre an’i Jehovah hiantso azy hoe “mpanompoko”, rehefa any an-tsesitany izy ireo, ka mpanompon’ny mpanjakan’i Babylona! (2 Tantara 36:20)
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
14. Inona no fampiononana azon’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny avy amin’ny teny nataony tamin’ny Isiraely?
14 Nanome toky sy nanatanjaka ny mpanompon’Andriamanitra hatramin’izao androntsika izao mihitsy aza ireo teny ireo. Tamin’ny 1918, dia naniry ny hahafantatra ny sitrapon’i Jehovah momba azy izy ireo. Naniry mafy ny ho afaka tamin’ilay fahababoana ara-panahy nisy azy izy ireo. Isika ankehitriny koa dia maniry fanamaivanana, satria vesaran’ny fanerena avy amin’i Satana sy ity tontolo ity ary ny tsy fahatanterahantsika. Takatsika anefa fa fantatr’i Jehovah tsara ny fotoana sy ny fomba hamonjeny ny vahoakany. Toy ny ankizy kely isika, mamikitra amin’ny tanany mahery, satria matoky fa hanampy antsika hiaritra izy. (Salamo 63:7, 8) Sarobidy amin’i Jehovah ireo manompo azy. Manohana antsika izy ankehitriny, toy ny nataony tamin’ny vahoakany tamin’ny 1918-1919, sy tamin’ny Isiraelita nahatoky fahiny.
-