-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”—Isaia 41:8-10.
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Tsy hisy antony tokony hangovitan’ny mpanompon’Andriamanitra, raha nihananatona ihany i Kyrosy mpandresy. Homba ny vahoakany, mba hanampy azy, i Jehovah.
14. Inona no fampiononana azon’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny avy amin’ny teny nataony tamin’ny Isiraely?
14 Nanome toky sy nanatanjaka ny mpanompon’Andriamanitra hatramin’izao androntsika izao mihitsy aza ireo teny ireo. Tamin’ny 1918, dia naniry ny hahafantatra ny sitrapon’i Jehovah momba azy izy ireo. Naniry mafy ny ho afaka tamin’ilay fahababoana ara-panahy nisy azy izy ireo. Isika ankehitriny koa dia maniry fanamaivanana, satria vesaran’ny fanerena avy amin’i Satana sy ity tontolo ity ary ny tsy fahatanterahantsika. Takatsika anefa fa fantatr’i Jehovah tsara ny fotoana sy ny fomba hamonjeny ny vahoakany. Toy ny ankizy kely isika, mamikitra amin’ny tanany mahery, satria matoky fa hanampy antsika hiaritra izy. (Salamo 63:7, 8) Sarobidy amin’i Jehovah ireo manompo azy. Manohana antsika izy ankehitriny, toy ny nataony tamin’ny vahoakany tamin’ny 1918-1919, sy tamin’ny Isiraelita nahatoky fahiny.
-