-
“Hianareo no Vavolombeloko”!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Nisy vokany ny famaizana
23. a) Nahoana no ara-drariny ny famaizan’i Jehovah? b) Ahoana no nanafaizan’Andriamanitra ny Isiraely?
23 Henjana, nefa ara-drariny ilay famaizan’i Jehovah. Na izany aza, dia azo ilay vokatra notadiavina, ka azo natao ny naneho famindram-po. “Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
-
-
“Hianareo no Vavolombeloko”!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
24. Inona no antony voalohany hamelan’i Jehovah ny fahotan’ny vahoakany (fahiny sy ankehitriny), kanefa manao ahoana ny fihetseham-pony amin’izy ireo?
24 Mariho anefa fa tsy ny fanenenan’ny Isiraely fotsiny no nahatonga ny famindram-pon’Andriamanitra, fa noho ny tenan’i Jehovah mihitsy. Eny, voakasik’izany ny anarany. Raha namela ny Isiraely tany an-tsesitany mandrakizay izy, dia ny anarany no ho nalan’ny mpitazana baraka. (Salamo 79:9; Ezekiela 20:8-10) Toy izany koa ankehitriny, ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny fiandrianany no tena zava-dehibe, fa tsy ny famonjena ny olombelona. Na izany aza, dia tia an’ireo manaiky ny famaizany sy mivavaka aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, i Jehovah. Mampiseho ny fitiavany azy ireo izy (na voahosotra izy ireo, na ondry hafa) amin’ny ‘famonoana ny fahadisoany’, miorina amin’ny soron’i Jesosy Kristy.—Jaona 3:16; 4:23, 24.
-