FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny Didim-pitsaran’i Jehovah Amin’ireo Mpampianatra Sandoka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 1 Martsa
    • 17. a) Araka ny nambaran’i Jeremia, didim-pitsarana inona no tsy maintsy nihatra tamin’i Jerosalema ratsy fanahy? b) Inona no hanjo ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tsy ho ela?

      17 Inona no didim-pitsarana ho azon’ireo mpampianatra sandoky ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana avy amin’i Jehovah, ilay Mpitsara lehibe? Mamaly izany ny Je 23:19, 20, 39, 40 andininy faha-19, 20 sy 39 ary 40, manao hoe: “He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. Ny fahatezeran’i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; (...) Hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako; ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.” Izany rehetra izany dia nanjo an’i Jerosalema ratsy fanahy sy ny tempoliny, ary ankehitriny dia hisy loza toy izany koa hanjo ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ratsy fanahy tsy ho ela!

  • Ny Didim-pitsaran’i Jehovah Amin’ireo Mpampianatra Sandoka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 1 Martsa
    • 21. a) Nahoana i Jerosalema no noravana tamin’ny 607 al.f.i.? b) Taorian’ny fandravana an’i Jerosalema, dia inona no nitranga tamin’ireo mpaminany sandoka sy tamin’ny tena mpaminanin’i Jehovah, ary manome antsika toky ny amin’inona izany amin’izao andro izao?

      21 Ny didim-pitsaran’i Jehovah dia nampiharina tamin’ny andron’i Jeremia fony nandrava an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. ny Babyloniana. Araka ny faminaniana, izany dia ‘fahafaham-baraka sy fietrena’ ho an’ireny Isiraelita mafy hatoka sy tsy nahatoky ireny. (Jeremia 23:39, 40, NW ). Izany dia nampiseho tamin’izy ireny fa i Jehovah, izay nalainy baraka imbetsaka tamin’ny farany dia nandao azy ireo tanteraka tamin’ny vokatry ny faharatsiany. Nampanginina tamin’ny farany ny vavan’ireo mpaminaniny sandoka feno eboebo. Tsy nitsahatra naminany anefa ny vavan’i Jeremia. Tsy nandao azy i Jehovah. Mifanaraka amin’izany ohatra izany, dia tsy handao ny kilasin’i Jeremia i Jehovah rehefa hitarika ho amin’ny fanesorana ny ain’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny an’ireo izay mino ny laingan’izy ireo, ny fanapahan-keviny mafonja.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara