FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Jereo ny Zavatra Ratsy sy Maharikoriko Ataon’izy Ireo”
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
    • Zava-niseho fahatelo: ‘Vehivavy maromaro nitomany an’ilay andriamanitra atao hoe Tamoza’

      Vehivavy maromaro mitomany an’ilay andriamanitra atao hoe Tamoza.

      13. Inona no nataon’ireo vehivavy hitan’i Ezekiela teo amin’ny iray amin’ny vavahadin’ny tempoly?

      13 Vakio ny Ezekiela 8:13, 14. Rehefa avy nahita an’ireo zavatra maharikoriko roa voalohany i Ezekiela, dia nilaza i Jehovah hoe: “Hahita zavatra maharikoriko mbola mahatsiravina kokoa noho izao ataon’izy ireo izao ianao.” Inona indray no hitany? “Nahita vehivavy maromaro nipetraka” sy “nitomany an’ilay andriamanitra atao hoe Tamoza” izy, “teo amin’ny fidirana amin’ny vavahady avaratra mankao amin’ny tranon’i Jehovah.” Andriamanitra nivavahan’ny olona tany Mezopotamia i Tamoza, izay antsoina hoe Domozy ao amin’ny asa soratra somerianina.d Noheverina hoe vady na olon-tian’i Ishtar andriamanibavin’ny fahavokarana izy. Azo inoana fa nanaraka fombafomba ara-pivavahana mifandray amin’ny nahafatesan’i Tamoza ireo vehivavy ireo, dia izay no nahatonga an-dry zareo hitomany. Tao amin’ny tempoly ry zareo no nitomany an’i Tamoza, izany hoe tao amin’ny foiben’ny fivavahana madio ry zareo no nanao ny fanaon’ny mpanompo sampy. Tsy hoe lasa ankasitrahan’i Jehovah anefa ny fombafomba ara-pivavahana, rehefa hoe ao amin’ny tempoliny ilay izy no atao. Izay no nahatonga an’i Jehovah hiteny hoe nanao “zavatra maharikoriko” ireo vehivavy nivadi-pinoana ireo!

      14. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jehovah momba ny zavatra nataon’ireo vehivavy nivadi-pinoana?

      14 Inona no ianarantsika avy amin’ireo tenin’i Jehovah ireo? Tsy tokony hafangarontsika amin’ny fombafomban’ny mpanompo sampy mihitsy ny fanompoantsika raha tiantsika hadio foana. Raha vao fantatsika àry hoe avy amin’ny fivavahan-diso no niandohan’ny fety iray, dia tsy tokony hankalaza an’izany mihitsy isika. Tena zava-dehibe ve ny niandohan’ny fety iray? Izany mihitsy! Hoatran’ny hoe tsy mampaninona ny fombafomba mifandray amin’ny fety sasany, ohatra hoe ny Krismasy na ny Paka. Tadidio anefa fa hitan’i Jehovah hoe avy amin’ny fombafomba ara-pivavahana fanaon’ny mpanompo sampy izy ireny. Tsy hoe lasa tsy dia maharikoriko an’i Jehovah ny fombafomban’ny mpanompo sampy, satria fotsiny hoe efa taloha be ilay izy na hoe nafangaro tamin’ny fivavahana madio.​—2 Kor. 6:17; Apok. 18:2, 4.

  • “Hitanao ve Izao, ry Zanak’olona?”
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara