-
“Jereo ny Zavatra Ratsy sy Maharikoriko Ataon’izy Ireo”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
Zava-niseho fahefatra: Lehilahy 25 “nivavaka tamin’ny masoandro”
15, 16. Inona no nataon’ireo lehilahy 25 teo amin’ny tokotany anatiny tao amin’ny tempoly? Ary nahoana izy ireo no nanao tsinontsinona an’i Jehovah rehefa nanao an’izany?
15 Vakio ny Ezekiela 8:15-18. Hoatran’ilay teo aloha ihany no nampidiran’i Jehovah an’ilay zava-niseho farany. Hoy izy: “Hahita zavatra maharikoriko mbola mahatsiravina kokoa noho izao ianao.” Mety ho nieritreritra ilay mpaminany hoe: ‘Fa inona re no mbola maharikoriko noho ireny zavatra efa hitako ireny e?’ Ao amin’ny tokotany anatiny ao amin’ny tempoly izao i Ezekiela. Nahita lehilahy 25 “nivavaka tamin’ny masoandro” izy teo amin’ny fidirana mankao amin’ny tempoly, ary “niankohoka niantsinanana” izy ireo. Nanao zavatra faran’izay ratsy ry zareo sady tena nanao tsinontsinona an’i Jehovah. Nahoana isika no milaza an’izany?
16 Alao sary an-tsaina ilay zava-niseho: Nitodika niantsinanana ny fidirana nankao amin’ny tempolin’Andriamanitra. Rehefa niditra tao ny mpivavaka, dia nitodika niankandrefana, izany hoe tao aorianan-dry zareo ny masoandro miposaka avy any atsinanana. Ireo lehilahy 25 tao amin’ilay fahitana anefa nitodika niantsinanana mba hivavaka tamin’ny masoandro, dia ‘niamboho ny tempoly.’ Hoatran’ny hoe nanome lamosina an’i Jehovah ry zareo satria “tranon’i Jehovah” ny tempoly. (1 Mpanj. 8:10-13) Mpivadi-pinoana ireo lehilahy 25 ireo. Tsy niraharaha an’i Jehovah ry zareo, sady tsy nankatò an’ilay didy ao amin’ny Deoteronomia 4:15-19. Tena nanao tsinontsinona an’i Jehovah ry zareo, nefa izy irery ihany no mendrika hotompoina!
I Jehovah irery ihany no mendrika hotompoin’ny mpanompony
17, 18. a) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fahitana momba an’ireo lehilahy nivavaka tamin’ny masoandro? b) Ny fifandraisan’iza avy no simba rehefa nivadi-pinoana ny Israelita, ary nahoana?
17 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha tiantsika hadio foana ny fanompoantsika, dia any amin’i Jehovah isika no tsy maintsy mitady tari-dalana sy fahendrena. Tadidio fa ‘masoandro i Jehovah Andriamanitra’ ary “fahazavana” ho an’ny lalantsika ny Teniny. (Sal. 84:11; 119:105) Manome antsika fahendrena amin’ny alalan’ny Teniny sy ny boky sy gazety avoakan’ny fandaminany izy. Manampy antsika izany mba hahay hanapa-kevitra, amin’izay isika ho sambatra dieny izao ary hiaina mandrakizay amin’ny hoavy. Raha any amin’izao tontolo izao kosa isika no mitady tari-dalana momba an’izay tokony hataontsika, dia hoatran’ny hoe manome lamosina an’i Jehovah. Manao tsinontsinona azy isika amin’izay, sady manao izay hankarary ny fony. Tsy tiantsika mihitsy ny hanao an’izany amin’ilay Andriamanitsika! Mampitandrina antsika koa io fahitana io hoe tsy tokony hifandray amin’ny olona mandà ny fahamarinana isika, izany hoe ny mpivadi-pinoana.—Ohab. 11:9.
-