-
Iza no Hitarika Ireo Firenena ho Amin’ny Fandriampahalemana?Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
-
-
18 Mariho ny voalaza ao amin’ny faminanian’i Daniela 9:24, 25 (JP): “Fitopolo herinandro no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hanapitra ny fahadisoana sy hamarana ny fahotana, ary hamela ny heloka, ary hampiditra fahamarinana mandrakizay (...) hatramin’ilay voahosotra [“Mesia”, hebreo: Ma·shiʹach] andriana.” Tsy azo atao ny tsy hanamarika ny fampifandraisan’ny andinin-teny ny hoe “Mesia” (Ilay Voahosotra) amin’ny ‘fahataperan’ny fahadisoana sy famaranana ny fahotana’.
-
-
Iza no Hitarika Ireo Firenena ho Amin’ny Fandriampahalemana?Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
-
-
20 Noho ireo antony voalaza tetsy aloha, dia takatr’ireo Jiosy maro tamin’ny taonjato voalohany mora foana ny fampianarana milaza fa amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra dia hahafahana hamela tanteraka ny fahotana ny fahafatesan’ny Mesia. Nahafantatra izy ireo fa niresaka ny amin’ny tsy fahatanterahana raikitra ao amin’ny olona ny Soratra Masina. (Mpitoriteny 7:20). Zavatra tsapa isan’andro ny ilana sorona hanarona ny fahotana; takatra izany teo amin’ny firafitra sy ny toetran’ny faneken’ny Lalàna mihitsy. Ireo fisehoan-javatra lazalazaina ao amin’ny tantaram-piainan’i Jesosy dia mampiseho ny maha-lehilahy tanteraka azy, izay ny fahafatesany dia afaka hitondra fanavotana ho an’ny fahotan’ny olombelona.f (Matio 20:28; Lioka 1:26-38). Rehefa nohamafisin’ny Soratra Grika Kristiana fa tandindon’io sorona farany sady tanteraka io ireo fanatitra isan-karazany natao teo ambanin’ny Lalàna, dia nomena ny heviny feno ny rafitry ny Lalàna iray manontolo, ary koa ireo tapany hafa amin’ny Soratra Masina.g — Hebreo 10:1-10.
-
-
Iza no Hitarika Ireo Firenena ho Amin’ny Fandriampahalemana?Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
-
-
f Ny apostoly Paoly dia niresaka an’i Jesosy ho ilay ‘Adama faharoa’, izay ny fahafatesany dia hitondra fanavotana ho an’ny fahotana nolovana avy tamin’i Adama. (1 Korintiana 15:45-47; Romana 5:12, 15-19). Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa ny amin’ny antony maha-zava-dehibe an’izany fandaharana izany, dia jereo jereo ny fizarana “Inona no Fikasan’Andriamanitra ny Amin’ny Olombelona?”, fehintsoratra faha-15 sy faha-16 ary ny fanamarihana ambany pejy.
-