FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mahasoa Antsika ny Fahitana Hitan’i Zakaria
    Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Oktobra
    • 16. a) Natao inona ilay sobika? (Jereo ny sary 3 eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nentin’ireo vehivavy nanana elatra nankaiza ilay sobika?

      16 Nisy vehivavy roa niseho taorian’izay. Nanana elatra matanjaka be hoatran’ny an’ny vanobe izy ireo. (Vakio ny Zakaria 5:9-11.) Tsy mba hoatr’ilay vehivavy tao anaty sobika izy ireo. Nanidina mafy izy ireo ary nentiny ilay sobika misy ny “Faharatsiana.” Naterin’izy ireo tany amin’ny “tany Sinara” na Babylona ilay izy. Nahoana?

      17, 18. a) Nahoana no mety tsara raha nalefa tany Babylona ny “Faharatsiana”? b) Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

      17 Azo antoka fa azon’ny Israelita tamin’ny andron’i Zakaria hoe nahoana no mety tsara raha nentina tany Babylona ny “Faharatsiana.” Fantatr’izy ireo tsara mantsy fa nanjaka tany ny fanaovan-dratsy. Ratsy fitondran-tena be sy nanompo sampy ny ankamaroan’ny olona, ka nila niady mafy ny Israelita isan’andro mba tsy ho voataonan’izy ireo. Azo antoka àry fa maivamaivana erỳ izy ireo rehefa nahalala an’io fahitana io. Nanome toky azy ireo mantsy ilay izy hoe tsy havelan’i Jehovah ho voaloto ny fivavahana aminy.

      18 Nampahatsiahy an’ireo Israelita ny andraikiny koa io fahitana io. Tokony hataon’izy ireo madio foana ny fivavahana amin’i Jehovah. Tsy tokony havela hisy faharatsiana mihitsy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. Tia antsika i Jehovah sady te hiaro antsika, ka notaominy ho anisan’ny fandaminany isika. Andraikitsika àry ny miaro azy io mba hadio foana. Tsy tokony hisy faharatsiana mihitsy ao amin’ilay paradisa ara-panahy.

  • Mahasoa Antsika ny Fahitana Hitan’i Zakaria
    Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Oktobra
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara