-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-39 — Malakia“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
Dieny mbola tsy tonga ny androny lehibe sady mahatahotra, dia nampanantena i Jehovah fa haniraka an’i Elia mpaminany. “Ary izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.” — 4:6.
-
-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-39 — Malakia“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
15. Iza moa ilay “Elia” ao amin’ny faminanian’i Malakia?
15 Avy eo, ao amin’ny Malakia 4:5, 6, dia hoy ny nampanantenain’i Jehovah: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo”. Iza moa io “Elia” io? I Jesosy sy ilay anjely niseho tamin’i Zakaria dia samy nampihatra ireo teny ireo tamin’i Jaona Mpanao Batisa. Nasehony fa izy no ilay “hampody ny zavatra rehetra” sy “hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo” mba handray ny Mesia. Kanefa, nilaza koa i Malakia fa i “Elia” no mpialoha lalana ilay ‘andro lehibe sady mahatahotr’i Jehovah’, ka nampiseho tamin’izany fa mbola hisy fahatanterahana ho avy amin’ny andro fitsarana iray. — Matio 17:11; Lioka 1:17; Matio 11:14; Marka 9:12.
-