-
Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?
Valiny ara-baiboly
Rehefa Krismasy, dia be dia be ny olona miteny hoe nisy “magy telo” na “olon-kendry telo” na “mpanjaka telo” tonga nitsidika an’i Jesosy tamin’izy teraka. Tsy nisy an’ilay teny hoe “olon-kendry” sy ilay hoe “mpanjaka” anefa tao amin’ny Baiboly, tamin’ny mbola teny grika. (Matio 2:1) Ilay teny grika hoe magôi no nampiasain’i Matio mpanoratra Filazantsara rehefa niresaka momba azy ireo. Olona manam-pahaizana amin’ny resaka astrolojia sy fanao hafa misy ifandraisany amin’ny demonia no antsoina hoe magôi.a “Mpanandro” na “magy” no nandikan’ny Baiboly sasany an’io teny io.b
-
-
Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
Firy ny isan’ireo “magy”?
Tsy lazain’ny Baiboly ny isan’izy ireo. Tsy mitovy koa ny isa lazain’ny olona. Milaza ny Encyclopedia Britannica hoe: ‘Mino ny ankamaroan’ny olona any Azia fa 12 ny isan’ireo Magy. Ny olona sasany any Eoropa sy any Etazonia kosa anefa mino hoe telo ny isan’izy ireo, angamba satria hoe nisy karazany telo ny fanomezana nentin’izy ireo. Nomen’izy ireo “volamena sy ditin-kazo manitra ary miora” (Matio 2:11) ilay zaza.’
Mpanjaka ve ireo “magy” ireo?
Milaza ny olona sasany hoe mpanjaka ireo olona nitsidika an’i Jesosy ireo. Tsy misy milaza mihitsy anefa ao amin’ny Baiboly hoe mpanjaka izy ireo. Resahin’ny Encyclopedia Britannica fa nisy nanampy zavatra hafa ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy, an-jatony taona tatỳ aoriana, anisan’izany ilay hoe mpanjaka ireo olona nitsidika azy.
Iza ny anaran’ireo “magy” ireo?
Tsy resahina ao amin’ny Baiboly ny anaran’ireo mpanandro ireo. Milaza ny The International Standard Bible Encyclopedia fa “nisy nanome anarana izy ireo (ohatra hoe Gaspara sy Melkiora ary Baltazara), saingy avy amin’ny angano izany.”
-
-
Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
a Nilaza i Hérodote, mpahay tantara grika tamin’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy, fa avy tamin’ny foko medianina (persianina) nahay nanandro sy nanazava hevitry ny nofy ny magôi tamin’ny androny.
b Jereo ny Fandikan-teny Protestanta, New American Standard Bible, The New American Bible, The New English Bible, ary ny New International Version Study Bible. Ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara kosa mandika azy io hoe “olon-kendry.”
-