-
Katsaho hatrany ny fanjakana sy ny fahamarinan’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—1991 | 1 Janoary
-
-
Koa “noho izany dia lazaiko aminareo hoe”, hoy ny nanohizan’i Jesosy ny Toriteniny teny an-tendrombohitra: “Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?” — Matio 6:25.
-
-
Katsaho hatrany ny fanjakana sy ny fahamarinan’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—1991 | 1 Janoary
-
-
Raha niresaka ny amin’ny fanahiana mikasika ny zavatra ilaina ara-nofo izy, dia nahita fanoharana teo amin’ny vorona nanidintsidina nanodidina teo sy ny lilia nandrakotra ny ilan-kavoana. Moa ve ny vorona mamafy sy mijinja? Tsia. Moa ve ny lilia mamoly na manenona? Tsia. Andriamanitra no nanao azy ireo; mikarakara azy izy. Ianao anefa dia misy vidiny kokoa noho ny vorona sy lilia. (Matio 6:26, 28-30) Nomeny ny Zanany ho anao, fa tsy ho azy ireo. — Jaona 3:16.
12. (a) Moa ve ny fanoharana ny amin’ny vorona sy ny voninkazo nidika fa tsy tokony hiasa ny mpianatr’i Jesosy? (b) Hevitra inona no nasehon’i Jesosy mikasika ny asa sy ny finoana?
12 Eto i Jesosy dia tsy nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy akory hoe tsy voatery hiasa izy ireo mba hamelomana sy hampitafiana ny tenany. (Jereo Mpitoriteny 2:24; Efesiana 4:28; 2 Tesaloniana 3:10-12.) Tamin’io marainan-dohataona io, ny vorona dia nihehy mafy ny tany hahitana hanina, nitady vady, nanamboatra akany, nikotrika atody, namahana ny zanany kely. Niasa izy ireo fa tsy nisy fanahiana. Ny voninkazo koa dia nanosika mafy ny fakany tany anaty tany mba hitadiavana rano sy mineraly ary nandefa ny raviny hanatratra ny hazavan’ny masoandro. Tsy maintsy nihamatotra sy namony ary nandatsaka ny voany izy talohan’ny nahafatesany. Niasa izy ireo fa tsy nisy fanahiana. Manome izay ilain’ny vorona sy ny lilia Andriamanitra. ‘Tsy mainka va izy hanome anareo izay ilainareo, ry kely finoana?’ — Matio 6:30.
13. (a) Nahoana no nety ny nampiasan’i Jesosy refy hakiho iray rehefa niresaka ny amin’ny fampitomboana ny androm-piainan’ny tena izy? (b) Ahoana no azonao analavana ny fiainanao kilaometatra an-tapitrisany maro tsy manam-pahataperana, raha azo atao ny milaza izany?
13 Koa manàna àry finoana. Aza manahy. Tsy hampiova na inona na inona ny fanahiana. “Iza aminareo, amin’ny fanahiana”, hoy ny fanontanian’i Jesosy, “no afaka manampy iray hakiho amin’ny faharetan’ny androm-piainany?” (Matio 6:27, MN) Nahoana anefa i Jesosy no mampifandray refin-kalavirana ara-batana, iray hakiho, amin’ny refim-potoana raha ny amin’ny faharetan’ny androm-piainana? Angamba satria matetika ny Baiboly dia mampitaha ny faharetan’ny androm-piainan’olombelona amin’ny dia lavitra iray, amin’ny fampiasana fomba fiteny toy ny hoe “ny làlana falehan’ny mpanota”, “ny làlan’ny marina”, ‘ny làlana malalaka mankany amin’ny fahaverezana’, ary ‘ny làlana tèry izay mankany amin’ny fiainana’. (Salamo 1:1; Ohabolana 4:18; Matio 7:13, 14) Ny fanahiana ny amin’ny zavatra ilaina isan’andro dia tsy afaka manalava ny androm-piainan’ny tena na dia ampahany kely monja aza, “iray hakiho”, raha azo atao ny milaza izany. Misy anefa fomba fanalavana ny fiainanao ho kilaometatra an-tapitrisany maro tsy manam-pahataperana, raha azo atao ny milaza izany. Tsy amin’ny fanahiana sy amin’ny fitenenana hoe: “Inona no hohaninay?” na “Inona no hosotroinay?” na “Inona no hotafinay?”, fa amin’ny fananana finoana sy amin’ny fanaovana izay asain’i Jesosy ataontsika: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakana sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo ireo zavatra hafa rehetra ireo”. — Matio 6:31-33, MN.
-