FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ampianarina ho Tia Namana ny Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Desambra
    • Ampianarina ho Tia Namana ny Rehetra

      “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.”​—Matio 7:12.

      EFA ho roa arivo taona lasa izay no nilazan’i Jesosy Kristy an’ireo teny ireo, tao amin’ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra. Efa betsaka ny teny voalaza sy ny boky voasoratra momba an’ireo teny tsotra ireo. Nolazaina, ohatra, fa “foto-kevitry ny Soratra Masina” izy io, na “adidin’ny Kristianina amin’ny namany”, “lalàm-pitondran-tena fototra”, na “Fitsipika Volamena.” Azo lazaina tsotra hoe “fitiavana ny namana tahaka ny tena” koa izy io.

      Tsy ny Kristianina ihany anefa no mampianatra ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Miresaka an’io lalàm-pitondran-tena marina io amin’ny fomba isan-karazany ny Jodaisma sy ny Bodisma ary ny filozofia grika. Malaza any amin’ireo tany any Azia Atsinanana ny tenin’i Confucius, filozofa sinoa hajaina fatratra ho toy ny olon-kendry sy mpampianatra niavaka indrindra. Voalaza intelo ny fitiava-namana ao amin’ilay boky hoe Amboara Voafantina, izay fahatelo amin’ireo Boky Efatra mirakitra ny fampianaran’i Confucius. Nilaza toy izao indroa i Confucius ho famaliana ny fanontanian’ny mpianany: “Izay tsy tianao hatao amin’ny tenanao dia aza atao amin’ny olona.” Nieboebo toy izao ilay mpianany nantsoina hoe Zigong, indray mandeha: “Izay tsy tiako hataon’ny olona amiko dia mba tsy ataoko amin’ny olona koa.” Nisy heviny lalina anefa ny valin-tenin’ilay mpampianatra hoe: “Marina izany, saingy mbola tsy vitanao izany izao.”

      Hita amin’ireo teny ireo fa izay tsy tokony hatao no nolazain’i Confucius, ary izay tokony hatao kosa no nolazain’i Jesosy. Ny tena tsy mampitovy azy dia hoe mitaky fanaovana asa mahasoa ho an’ny olona ilay fitiavana ny namana tahaka ny tena noresahin’i Jesosy. Aoka hatao hoe mampihatra ny tenin’i Jesosy ny olona, ka mifampiahy sy miezaka hifanampy ary miaina mifanaraka amin’io lalàna io isan’andro. Hahatonga an’izao tontolo izao ho tsara kokoa ve izany, araka ny hevitrao? Izany tokoa.

      Tsy mampaninona anefa izay fomba ilazana ilay toro lalana. Ny zava-dehibe kosa dia hoe samy matoky ny olona niaina tamin’ny fotoana sy fiaviana samihafa fa tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. Asehon’izany àry fa ampianarina ho tia namana ny olona amin’ny toerana rehetra sy ny vanim-potoana rehetra.

      Manontania tena hoe: ‘Ho tiako ve ny hohajaina sy tsy hiangarana ary hilazana ny marina? Ho tiako ve raha tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra na asan-jiolahy na ady eto an-tany? Ho tiako ve ny hiaina ao anatin’ny fianakaviana mifampiahy sy mifanasoa?’ Iza tokoa no handa an’izany? Mampalahelo anefa fa vitsy ihany no manana fiainana tsara toy izany. Tsy manantena izany akory aza ny ankamaroan’ny olona.

      Tsy tia ny namany tahaka ny tenany intsony ny olona

      Nisy foana hatramin’izay ny fanitsakitsahana tanteraka ny zon’olombelona. Anisan’izany ny fivarotana andevo tatsy Afrika, ny toby famonoan’ny Nazia, ny asa an-tery vozona ampanaovina ny ankizy, sy ny fandripahana foko tany amin’ny faritra maro. Mbola maro anefa ny habibiana tsy voatanisa.

      Tsy mahalala afa-tsy ny tenany ny olona miaina amin’izao andron’ny fandrosoana izao. Vitsy no mihevitra ny olon-kafa rehefa voatohintohina ny tombontsoany manokana. (2 Timoty 3:1-5) Nahoana no maro be ny olona nanjary tia tena sy tsy mifaditrovana, mafy fo, ary tsy mahalala afa-tsy ny tenany? Satria nanjary nihevitra izy ireo fa tsy tokony ho tia ny namana tahaka ny tena intsony isika, ary efa lany andro izany fitsipika izany na dia mbola ampianarina maneran-tany aza. Mampalahelo fa manao izany koa na dia ny olona miseho ho mino an’Andriamanitra aza. Raha izao no mitohy dia vao mainka tsy hihevitra afa-tsy ny tenany ny olona.

      Tsy maintsy dinihina àry ireto fanontaniana lehibe ireto: Ahoana no itiavana ny namana tahaka ny tena? Mbola mampihatra izany ve ny olona? Mbola ho tia ny namany tahaka ny tenany ve ny olombelona rehetra indray andro any? Vakio ny lahatsoratra manaraka, dia ho hitanao ny tena valin’ireo fanontaniana ireo.

      [Sary, pejy 3]

      Nampianatra ny fitiavana ny namana tahaka ny tena koa i Confucius sy ny hafa

  • Azo Atao ny ho Tia Namana
    Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Desambra
    • Azo Atao ny ho Tia Namana

      Maro no mihevitra fa avy amin’i Jesosy ilay fampianarana momba ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Izy mihitsy anefa no nilaza hoe: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.”​—Jaona 7:16.

      I JEHOVAH Andriamanitra Mpamorona tokoa no naniraka an’i Jesosy sy loharanon’ny fampianarany, anisan’izany ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.

      Tian’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny hitondran’ny olona ny namany toy izay tiany hitondrana ny tenany. I Jehovah no ohatra tsara indrindra teo amin’ny fiahiana izay hahasoa ny hafa. Nasehony tamin’ny famoronana ny olombelona izany: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Genesisy 1:27) Midika izany fa nataon’Andriamanitra tao amin’ny olombelona ny toetrany mahatalanjona, mba hifalian’izy ireo amin’ny fiainana, ao anatin’ny fiadanana sy fahasambarana ary filaminana mandrakizay. Afaka mitarika azy ireo hitondra ny olon-kafa toy izay tiany hitondrana ny tenany ny feon’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra azy, raha voaofana tsara.

      Nanjary nanjaka ny fitiavan-tena

      Inona no nitranga taorian’izany fiandohana tena tsara izany? Niharatsy toetra ny olona, ka nanjary tia tena. Fantatry ny ankamaroan’ny olona ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba izay nataon’ny mpivady voalohany, araka ny Genesisy toko faha-3. Nanda ny fitondran’Andriamanitra i Adama sy i Eva ka nifidy ny tsy hiankina sy hanao izay tiany hatao, noho ny fampirisihan’i Satana, ilay mpanohitra ny fitsipik’Andriamanitra rehetra. Tsy vitan’ny hoe fatiantoka ho azy ireo ny vokatry ny fitiavan-tenany sy ny fikomiany, fa loza ho an’ny taranany koa. Asehon’izany mazava fa mitondra loza ny tsy firaharahana ilay fampianarana momba ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Izany no “nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”​—Romana 5:12.

      Tsy narian’i Jehovah Andriamanitra anefa ny olombelona, na dia nanda ny lalana natorony tamim-pitiavana aza. Nanome ny Lalàny ho an’ny firenen’ny Isiraely izy, ohatra, mba hitarika azy ireo. Nampianatra azy ireo hitondra ny olona toy izay tiany hitondrana ny tenany io Lalàna io. Nanome toromarika momba ny fitondrana ny andevo sy ny kamboty ary ny mpitondratena izy io. Voalaza tao koa ny tokony hatao rehefa nisy herisetra sy fakana olona an-keriny ary fangalarana. Nisy lalàna momba ny fahadiovana koa naneho fiahiana ny fahasalaman’ny olon-kafa. Nisy mihitsy aza lalàna momba ny firaisana. Namintina ny Lalàna toy izao i Jehovah: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, ary namerina io teny io koa i Jesosy. (Levitikosy 19:18; Matio 22:39, 40) Nisy koa Lalàna momba ny fitondrana ireo vahiny teo amin’ny Isiraelita. Hoy ny Lalàna: “Aza mampahory vahiny, fa hianareo mahalala ny fon’ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ihany hianareo.” Tsy maintsy naneho hatsaram-panahy tamin’ireo nahantra àry ny Isiraelita.​—Eksodosy 23:9; Levitikosy 19:34; Deoteronomia 10:19.

      Nitahy ny Isiraelita foana i Jehovah raha mbola nanaraka tsara ny Lalàna koa izy ireo. Nanankarena ilay firenena nandritra ny fanjakan’i Davida sy i Solomona, ary sambatra sy afa-po ny olona. Hoy ny fitantarana: “Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly. Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona.”​—1 Mpanjaka 4:20; 5:5.

      Nampalahelo anefa fa tsy naharitra ela ny fiadanana sy ny filaminan’ilay firenena. Tsy notandreman’ny Isiraelita ny Lalàn’Andriamanitra nomena azy, ka nanjary ravan’ny fitiavan-tena ny fiahiana ny hafa. Nivadi-pinoana koa izy ireo, ka loza ho an’ny tsirairay sy ho an’ilay firenena no vokany. Navelan’i Jehovah handrava ny fanjakan’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema ary ilay tempoly kanto ny Babylonianina, tamin’ny 607 al.f.i. Nahoana? “Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko, dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity tany ity sy ny mponina eto mbamin’ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.” (Jeremia 25:8, 9) Izany no vokany rehefa mahafoy ny fivavahana madio amin’i Jehovah!

      Ohatra tokony hotahafina

      Tsy nampianatra ny fitiavana ny namana tahaka ny tena fotsiny i Jesosy Kristy, fa namela ohatra faran’izay tsara koa. Tena niahy izay hahasoa ny hafa izy. (Matio 9:36; 14:14; Lioka 5:12, 13) Nahita mpitondratena torotoro fo handeha handevina ny zanany lahitokana i Jesosy, indray mandeha, teny akaikin’ny tanànan’i Naina. Mitantara ny Baiboly hoe: “Nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy.” (Lioka 7:11-15) Araka ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy), ilay teny hoe “onena” dia midika hoe “mahatsapa toy ny mihatra amin’ny tena.” Tsapan’i Jesosy ny alahelom-pon’ilay vehivavy, ary izany no nahatonga azy hanao zavatra mba hanamaivanana ny alahelony. Dibo-kafaliana ilay mpitondratena rehefa natsangan’i Jesosy ny zanany ka “natolony tamin-dreniny”!

      Nanaiky hijaly i Jesosy tamin’ny farany, araka ny fikasan’Andriamanitra, ka nanolotra ny ainy ho avotra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. Izany no ohatra miavaka indrindra amin’ny fampiharana ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.​—Matio 20:28; Jaona 15:13; Hebreo 4:15.

      Olona tia ny namany tahaka ny tenany

      Misy olona tena tia ny namany tahaka ny tenany ve amin’izao andro izao? Misy tokoa, ary na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza. Nitana ny finoany sy ny fitiavany ny namany, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Nazia, nandritra ny Ady Lehibe II, ka tsy nanaiky hampandefitra izany fitiavana izany. Nitarika ny vahoaka hankahala sy hanavakavaka ny Jiosy rehetra ny Fanjakana, kanefa mbola tia ny namany tahaka ny tenany ihany ny Kristianina. Niahy ny olona niaraka taminy foana izy ireo na tany amin’ny toby fitanana aza, ary nomeny tamin’ny sakafo kely nananany ireo olona mosarena, na Jiosy na tsy Jiosy. Tsy nanaiky handray fiadiana hamonoana olon-kafa izy ireo, na dia noteren’ny Fanjakana aza, satria tsy tiany koa ny hamonoan’ny olon-kafa azy. Ahoana moa no hamonoan’izy ireo ny olona tiany tahaka ny tenany? Nalefa tany amin’ny toby fitanana sy novonoina mihitsy ny ankamaroan’izy ireo noho izany.​—Matio 5:43-48.

      Hahita ohatra hafa momba ny fitiavana ny namana tahaka ny tena koa ianao, eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity. Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa olona maro no tsy manana fanantenana sy mila fanampiana. Izany no antony anampiany an-tsitrapo ny olon-kafa mba hianatra ny fanantenana sy ny fitarihan-dalana mahasoa ao amin’ny Baiboly. Tontosaina maneran-tany io asa fampianarana io ankehitriny ary mandroso mbola tsy nisy toy izany. Inona no vokany? Araka ny voalazan’ny Isaia 2:2-4 dia “firenena maro”, olona miisa enina tapitrisa eo ho eo, no ‘ampianarin’i Jehovah ny amin’ny lalany, ka mandeha amin’ny atorony.’ Azo lazaina hoe nianatra ny “hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka.” Mahita fiadanana sy filaminana izy ireo amin’izao fotoan-tsarotra izao.

      Ary ianao?

      Diniho ny fahoriana sy ny fijaliana mianjady amin’ny olombelona, noho izy ireo tsy tia ny namany tahaka ny tenany, nanomboka tamin’ilay fikomiana notarihin’i Satana Devoly tany Edena. Efa hanova ny toe-javatra i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana? “Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.” (1 Jaona 3:8) Hitranga izany rehefa manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy hendry sady mahery, dia Ilay nampianatra mba ho tia ny namana tahaka ny tena, sy tena nampihatra izany.​—Salamo 37:9-11; Daniela 2:44.

      Nilaza toy izao i Davida mpanjakan’ny Isiraely fahiny: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina. Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.” (Salamo 37:25, 26) Tsy manaiky ve ianao fa ny hahazo sy ny hangorona ihany no tian’ny ankamaroan’ny olona fa tsy mba ny ‘hiantra sy ny hampisambotra’? Mitondra fiadanana sy filaminana tokoa àry ny fitiavana ny namana tahaka ny tena, satria ahazoana fahasambarana ankehitriny sy amin’ny hoavy, rehefa hanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra. Hesorin’Andriamanitra tsy hisy intsony eto an-tany ny fitiavan-tena sy ny faharatsiana, ary tontolo vaovao kosa no hataony solon’ity tontolo ratsy fitondran-tena entin’olombelona ity. Ho tena tia ny namany tahaka ny tenany ny olona rehetra amin’izay.​—Salamo 29:11; 2 Petera 3:13.

      [Sary, pejy 4, 5]

      Tsy nampianatra ny olona ho tia ny namana tahaka ny tena fotsiny i Jesosy fa namela ohatra faran’izay tsara mihitsy koa

      [Sary, pejy 7]

      Mitondra fiadanana sy filaminana ny fitiavana ny namana tahaka ny tena

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara