-
Mampianatra toy ny Nataon’i Jesosy ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Oktobra
-
-
Tsy ireo fahagagana ihany anefa no hany nanintona azy ireo; vahoaka maro koa no tonga noho ilay fanasitranana ara-panahy nomena rehefa nampianatra i Jesosy. Mariho ny fihetsik’izy ireo, ohatra, rehefa avy nihaino ilay Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra: “Nony efa vitan’i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,
-
-
Mampianatra toy ny Nataon’i Jesosy ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Oktobra
-
-
Nahatratra ny fo ny fampianarany
3. Tamin’ny ahoana ny fomba fanambaran’i Jesosy ny hafatra nentiny no tsy nitovy tamin’ny an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?
3 Ny fahasamihafana teo amin’ny fampianaran’i Jesosy sy ny an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia tsy avy amin’izay noraketiny ihany — ireo fahamarinana avy amin’Andriamanitra nifanohitra tamin’ireo lovantsofina navesatra avy tamin’olombelona — fa avy tamin’ny fomba nampianarana izany koa. Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia nizahozaho sy sarotiny, nitaky tamim-piavonavonana anaram-boninahitra mankalaza ary nitondra tamim-panamavoana ny vahoaka ho “voaozona”. I Jesosy kosa anefa dia nalemy fanahy sy nalefaka, tsara fanahy sy nangoraka ary nandefitra matetika, ary onena azy ireo izy. Tsy vitan’ny hoe nampianatra tamin’ny teny marina fotsiny i Jesosy, fa tamin’ny teny namabo izay avy tao am-pony koa, dia teny izay namantana tany am-pon’ny mpihaino azy. Ny hafatra falifaly nentiny dia nanintona ny olona hanatona azy, nanosika azy ireo handeha vao maraina tany amin’ny tempoly mba handre azy, ary nahatonga azy ireo hanaraka azy akaiky sy hihaino azy tamim-pahafinaretana. Nisy olona sesehena tonga nihaino azy, ka nanambara hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” — Jaona 7:46-49; Marka 12:37; Lioka 4:22; 19:48; 21:38.
-