FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Mandehana ... Ampianaro ny Olona”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
    • 11 Voalohany, nampianatra ny mpianany mba hatoky an’i Jehovah i Jesosy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao anaty fehikibo fasianareo vola, ary aza mitondra kitapom-batsy any amin’izay halehanareo, na akanjo roa, na kapa na tehina. Mendrika hahazo sakafo mantsy ny mpiasa.” (Matio 10:9, 10) Fanaon’ny olona tamin’izany andro izany ny nitondra fehikibo fasiana vola, kitapom-batsy, ary kapa hisoloana, rehefa hanao dia lavitra.a Rehefa nampitandrina ny mpianany mba tsy hanahy momba an’ireo zavatra ireo i Jesosy, dia toy ny nilaza hoe: “Matokia tanteraka an’i Jehovah, fa hikarakara izay ilainareo izy.” Hanome izay ilain’izy ireo i Jehovah, ka hampirisika an’ireo mandray ny vaovao tsara mba hampiantrano azy ireo. Izany rahateo no fomba teo amin’ny Israely.​—Lioka 22:35.

  • “Mandehana ... Ampianaro ny Olona”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
    • a Vola madinika no atao ao amin’ny fehikibo fasiana vola. Lehibe kokoa ny kitapom-batsy. Vita tamin’ny hoditra izy io mazàna, ary nolanjaina teo an-tsoroka. Sakafo na vatsy hafa no natao tao anatiny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara