FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Voaisan’i Jehovah “ny Volon-dohanareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2005 | 1 Aogositra
    • 6 Nanome fanoharana roa i Jesosy, mba hanampiana ny apostoliny hahatakatra ny antony tsy tokony hatahorany. Hoy izy: “Tsy vola madinika kely vidy ve no ivarotana fody roa? Fa tsy hisy ho latsaka amin’ny tany ireny na iray aza, ka tsy fantatry ny Rainareo. Ary na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.” (Matio 10:29-31) Mariho fa nampifandraisin’i Jesosy ny hoe tsy matahotra rehefa tojo zava-tsarotra, sy ny fatokisana fa miahy antsika tsirairay i Jehovah. Nanana izany fatokisana izany ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Raha momba antsika Andriamanitra, iza no hanohitra antsika? Tsy mba niaro ny Zanany izy, fa nanolotra azy hamonjy antsika rehetra. Koa nahoana no tsy homeny antsika amin-katsaram-panahy miaraka aminy koa ny zavatra hafa rehetra?” (Romanina 8:31, 32) Na inona na inona olana atrehinao, dia matokia koa fa miahy anao i Jehovah, raha mbola tsy mivadika aminy ianao. Vao mainka miharihary fa tena miahy anao izy, rehefa dinihina akaiky ny tenin’i Jesosy tamin’ny apostoliny.

      Sarobidy ve ny fody?

      7, 8. a) Ahoana no niheverana ny fody tamin’ny andron’i Jesosy? b) Nahoana i Jesosy no nampiasa ny teny grika midika hoe “fody kely” mba hilazana ny hoe “fody”, ao amin’ny Matio 10:29?

      7 Miahy ny mpanompony tsirairay tokoa i Jehovah, araka ilay fanoharan’i Jesosy. Diniho aloha ilay resaka fody. Nihinana fody ny olona tamin’ny andron’i Jesosy. Mpanimba voly anefa ireny vorona ireny, ka halan’ny olona. Be dia be sady mora ny fody tamin’izany, ka latsaka ny ariary 100 (vola ankehitriny) ny fody roa. Raha avo roa henin’izay ny volan’ilay olona, dia nahazo fody dimy izy, fa tsy efatra. Nomena fotsiny ilay fody iray, toy ny hoe tsy nisy vidiny mihitsy!—Lioka 12:6.

      8 Eritrereto koa ny haben’io vorona mahazatra io. Azo lazaina hoe kely ihany ny vatan’ny fody efa lehibe, raha oharina amin’ny vorona maro hafa. Manondro fody kely anefa ilay teny grika nadika hoe “fody” ao amin’ny Matio 10:29. Toa tian’i Jesosy hieritreritra vorona faran’izay kely sy tsy nisy vidiny ny apostoliny.

      9. Inona no hevi-dehibe ampitain’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny fody?

      9 Izao no hevi-dehibe ampitain’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny fody: Zava-dehibe amin’i Jehovah Andriamanitra ny zavatra toa tsy misy vidiny amin’ny olombelona. Mbola nanantitrantitra izany i Jesosy, rehefa nilaza fa “tsy hisy ho latsaka amin’ny tany” ny fody kely, ka hoe tsy ho voamarik’i Jehovah.c Mazava ilay lesona: Raha ny vorona kely indrindra sy tsy misy vidiny indrindra aza voamarik’i Jehovah Andriamanitra, tsy mainka ve fa izay manjo ny olona mifidy ny hanompo azy?

  • Voaisan’i Jehovah “ny Volon-dohanareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2005 | 1 Aogositra
    • c Misy manam-pahaizana milaza fa tsy hoe rehefa maty ihany ilay fody, vao latsaka amin’ny tany. Mety ho nidina teo amin’ny tany izy io mba hitsindroka hanina, araka ny fanazavan’izy ireo an’ilay teny tany am-boalohany. Toa te hilaza izany fa tsy hoe rehefa maty ihany ilay vorona vao hitan’Andriamanitra. Miahy sy mahamarika izay ataon’izy io isan’andro koa izy.—Matio 6:26.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara