-
Nahoana Isika no Mivory?Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 15 Mey
-
-
Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.”
-
-
Nahoana Isika no Mivory?Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 15 Mey
-
-
“Mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako”
Mariho fa nilaza i Jesosy ao amin’io andininy fakafakaintsika io hoe: “Mianara amiko.” Tonga mpianatr’i Jesosy isika, rehefa mianatra aminy, ary mitondra ny ziogany isika rehefa manolo-tena ho an’Andriamanitra sy atao batisa. (Matio 28:19, 20) Mila mandray anjara tsy tapaka amin’ny fivoriana isika, raha te ho mpianatr’i Jesosy foana. Nahoana? Any mantsy isika no ampianarina momba an’i Jesosy sy ny fampianarany ary ny fomba fanaovany zavatra.
Inona ilay entana tian’i Kristy hoentintsika? Entana mitovy amin’ny nentiny ihany, dia ny tombontsoa hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Jaona 4:34; 15:8) Marina fa ilana ezaka ny mankatò ny didin’Andriamanitra. Tsy hoe mavesatra loatra anefa izany. Mety ho mavesatra ilay izy, raha manandrana mitondra izany samirery isika. Hahazo “hery fanampiny” avy amin’Andriamanitra anefa isika, raha mangataka ny fanahiny sy mandray ny sakafo ara-panahy aroso any am-pivoriana. (2 Korintianina 4:7) Vao mainka hitombo be ny fitiavantsika an’i Jehovah, raha manomana ireo fivoriana sy mandray anjara amin’izy ireny isika. Ary “tsy mavesatra” amintsika ny didin’Andriamanitra, rehefa atosiky ny fitiavana isika.—1 Jaona 5:3.
Miatrika olana ny ankamaroan’ny olona. Anisan’izany ny fitadiavam-bola, ny tsy fahasalamana, ary ny olana hafa. Tsy miantehitra amin’ny fahendren’olombelona anefa isika, mba hiatrehana azy ireny. Ny fivorian’ny fiangonana kosa no manampy antsika tsy “hanahy”, satria ampianarina isika any fa manome izay ilaintsika i Jehovah sady manampy antsika hiatrika olana. (Matio 6:25-33) Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra antsika tokoa ny fivoriana kristianina.
“Malemy fanahy aho sady manetry tena am-po”
Fomban’i Jesosy ny nitsidika synagoga. Tany mantsy no nanazavana ny Tenin’Andriamanitra. Indray mandeha, dia nandray ny horonam-bokin’i Isaia i Jesosy tao amin’ny synagoga, ary namaky hoe: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny torotoro fo, hitory taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.” (Lioka 4:16, 18, 19) Tsy maintsy ho tena nahafaly ny nandre an’i Jesosy nanohy ny teniny, hoe: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.”—Lioka 4:21.
I Jesosy no “mpiandry lehibe indrindra” sady malemy fanahy. Mbola manara-maso ny fikarakarana an’ireo mpanara-dia azy izy ankehitriny. (1 Petera 5:1-4) Eo ambany fitarihany, dia manendry lehilahy ho mpiandry eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45-47; Titosy 1:5-9) ‘Miandry’ amim-pahalemem-panahy ‘ny fiangonan’Andriamanitra’ ireny lehilahy voatendry ireny, sady fakan-tahaka amin’ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka. Maneho ny fankasitrahanao an’ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny ianao, raha tonga mivory. Hampahery ny hafa koa ny fahatongavanao sy ny fandraisanao anjara.—Asan’ny Apostoly 15:30-33; 20:28; Efesianina 4:8, 11, 12.
“Ho velombelona ianareo”
Inona no azonao atao, mba hamelombelona anao ny fivoriana? Iray amin’izany ny fampiharana ny torohevitr’i Jesosy manao hoe: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.” (Lioka 8:18) Nihaino tsara an’i Jesosy ny olona tena naniry hianatra. Rehefa nanao fanoharana izy, dia nangatahin’izy ireo ny hanazavany izany. Novalian-tsoa izy ireo, ka nahazo fahalalana lalina kokoa.—Matio 13:10-16.
Manahaka an’ireny olona noana ny fahamarinana ireny ianao, raha manongilan-tsofina amin’ireo lahateny any am-pivoriana. (Matio 5:3, 6) Hifantoka foana ny sainao, raha manaraka tsara ny famelabelaran’ny mpandahateny ianao. Manontania tena toy izao: ‘Ahoana no hampiharako izany fanazavana izany eo amin’ny fiainako? Ahoana no hampiasako izany mba hanampiana ny hafa? Ahoana no hanazavako izany hevitra izany?’ Jereo ao amin’ny Baibolinao koa ny andinin-teny ampiasain’ny mpandahateny hanaporofoana ny hevi-dehibe. Vao mainka hamelombelona kokoa anao ny fivoriana, arakaraka ny itandremanao tsara ny fomba fihainoanao.
Resaho amin’ny hafa ny hevitra nodinihina tamin’ilay fandaharana, aorian’ny fivoriana. Ny fanazavana sy ny fampiharana azy no asongadino. Mahatonga ny fivoriana ho tena hamelombelona ny resadresaka mampahery.
-