-
‘Nanadio’ ny Vahoakany Ilay MpanjakaEfa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
-
-
1-3. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nahita an’ireo mpivarotra sy mpanakalo vola tao amin’ny tempoly?
TENA nanaja ny tempoly tany Jerosalema i Jesosy, satria fantany fa izy io no toerana natao hivavahana tamin’i Jehovah tamin’izany. Andriamanitra masina i Jehovah, ka tokony ho masina sy hadio ny fivavahana aminy. Eritrereto àry hoe inona no tsapan’i Jesosy rehefa hitany izay nitranga tao amin’ilay tempoly, tamin’ny 10 Nisana taona 33. Fa nisy inona tao?—Vakio ny Matio 21:12, 13.
2 Nisy mpivarotra sy mpanakalo vola teo amin’ny Tokotanin’ny Hafa Firenena tao amin’ny tempoly. Tia vola izy ireo ka nanararaotra be an’izay olona tonga hanao fanatitra ho an’i Jehovah tao. Noroahin’i Jesosy àry izay rehetra nivarotra sy nividy tao, ary nazerany ny latabatry ny mpanakalo vola. (Ampitahao amin’ny Nehemia 13:7-9.) Noteneniny mafy ry zareo satria lasa nataon’izy ireo “lava-bato fieren-jiolahy” ny tranon’i Jehovah.a Nasehon’i Jesosy tamin’izany fa nanaja ny tempoly izy, ary tokony ho masina foana ny fivavahana amin’ny Rainy.
-
-
‘Nanadio’ ny Vahoakany Ilay MpanjakaEfa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
-
-
a Nisy hetra naloa tao amin’ny tempoly isan-taona. Vola vahiny anefa no nentin’ny Jiosy sasany avy any an-tany hafa, ka tsy maintsy natakalo vao afaka nandoavana an’ilay hetra. Nisy mpanakalo vola àry tao amin’ny tempoly. Nisy mpivarotra biby koa tao, satria mety ho tsy nitondra biby hatao fanatitra ilay olona. Naka tombony be loatra anefa ry zareo, ka izany angamba no niantsoan’i Jesosy azy ireo hoe “jiolahy.”
-