-
Faminanian’ny Baiboly Iray Hitanao fa TanterakaNy Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
-
-
“Fiandohan’ny fahoriana”
11, 12. Tamin’ny heviny ahoana ny ady lehibe voalohany no vao “fiandohan’ny fahoriana” fotsiny?
11 Ireo andinin-teny voalohany amin’ny faminanian’i Jesosy dia miafara amin’ireto teny ireto: “Izany no fiandohan’ny fahoriana.” Tena marina indrindra izany ny amin’ny ady lehibe voalohany. Tsy nitondra fandriampahalemana naharitra ela ny faran’izy io tamin’ny 1918. Tsy ela izy io dia narahin’ny fifamelezana ara-tafika voafetra nefa feno herisetra tany Etiopia, Libya, Espaina, Rosia, India sy tany hafa. Avy eo dia tonga ny ady lehibe faharoa nampihoron-koditra, izay naka ain’olona sivily sy miaramila 50 tapitrisa teo ho eo.
12 Ambonin’izany, na dia eo aza ireo fanekem-pihavanana sy ireo fampitsaharana ady atao ombieny ombieny, dia mbola miady ihany ny olombelona. Tamin’ny 1987, dia nanaovana tatitra fa nisy ady lehibe 81 natao nanomboka tamin’ny 1960, ka namono lehilahy sy vehivavy ary ankizy 12 555 000. Ny taona 1987 dia nahitana ady be dia be kokoa noho izay taona rehetra talohany teo amin’ny tantara voarakitra an-tsoratra.1 Ankoatra izany, ny fanomanana sy fandaniana ara-tafika, izay mahatratra tokony ho 1 000 000 000 000 dolara ny tontaliny isan-taona ankehitriny, dia nampisaritaka ny toe-karen’izao tontolo izao.2
-
-
Faminanian’ny Baiboly Iray Hitanao fa TanterakaNy Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
-
-
Faritra maro amin’ny tany no nijaly noho ny loza toy izany tamin’ny 1914. Ny tatitra iray dia mitanisa mosary lehibe maherin’ny 60 nanomboka tamin’ny 1914, tany amin’ny tany nifanalavitra be toa an’i Gresy, i Pays-Bas, i U.R.S.S. teo aloha, i Nizeria, i Tchad, i Silia, i Peroa, i Bangladesh, i Bengal, i Kampuchéa, i Etiopia, sy i Japon.3 Ny sasany tamin’ireny mosary ireny dia naharitra an-taonany maromaro ary nahatonga fahafatesan’olona an-tapitrisany maro.
-
-
Faminanian’ny Baiboly Iray Hitanao fa TanterakaNy Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
-
-
Horohoron-tany
17. Horohoron-tany nandringana inona no niseho tsy ela taorian’ny 1914?
17 Tamin’ny 13 Janoary 1915, raha vao am-bolana vitsivitsy monja no nisian’ny ady lehibe voalohany, dia nisy horohoron-tany nanozongozona an’i Abruzzi, any Italia, ka naka ain’olona 32 610. Mampahatsiahy antsika io loza lehibe io fa ny ady sy ny mosary miseho mandritra ny fanatrehan’i Jesosy dia harahin’ny zavatra hafa: “Hisy (...) horohorontany amin’ny tany samy hafa.” Toy ny amin’ny ady sy ny mosary, ilay horohoron-tany tany Abruzzi dia vao “fiandohan’ny fahoriana” fotsiny.a
-
-
Faminanian’ny Baiboly Iray Hitanao fa TanterakaNy Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
-
-
a Nisy horohoron-tany dimy fara fahakeliny teo anelanelan’ny 1914 sy 1918, izay nahatratra 8 na mihoatra teo amin’ny mari-drefy Richter — nahery kokoa noho ilay horohoron-tany tany Abruzzi. Kanefa, tany amin’ny faritra lavitra amin’ny bolan-tany no nitrangan’ireny hovotrovotra ireny, ka noho izany dia tsy nanintona ny saina firy tahaka ilay horohoron-tany tany Italia.5
-
-
Faminanian’ny Baiboly Iray Hitanao fa TanterakaNy Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
-
-
20. Valanaretina niavaka inona no nahaforona tapany tamin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy momba ireo areti-mandringana?
20 Tamin’ny 1918 sy 1919, dia olona maherin’ny 1 000 000 000 no narary noho ny gripa espaniola, ary maherin’ny 20 000 000 no maty. Naka ain’olona betsaka kokoa noho ilay ady lehibe mihitsy ilay aretina.7 Ary manohy mamely itỳ taranaka itỳ ny “areti-mahafaty” na “areti-mandringana”, na dia eo aza ny fandrosoana mahavariana ara-pitsaboana maro.
-