-
‘Ataovy Izao ho Fahatsiarovana Ahy’Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Desambra
-
-
6. a) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny mofo, taorian’ny nihinanany ny Paska? b) Inona no karazana mofo ampiasaina amin’ny Fahatsiarovana?
6 Nanoratra toy izao ny apostoly Matio, izay nanatrika teo tamin’izay: “Nandray mofo i Jesosy. Rehefa avy nivavaka izy, dia notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: ‘Raiso ity, ka hano.’” (Mat. 26:26) “Mofo” tsy nisy lalivay ilay izy, izany hoe ilay nampiasaina tamin’ny Paska ihany. (Eks. 12:8; Deot. 16:3) Natao tamin’ny lafarinina varimbazaha sy rano ilay izy, ary tsy nasiana lalivay ka tsy nitombo. Tsy nampiana zavatra hafa mampahatsiro sakafo, toy ny sira, koa ilay izy.
-
-
‘Ataovy Izao ho Fahatsiarovana Ahy’Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Desambra
-
-
9. Inona no hevi-diso eritreretin’ny olona sasany momba an’ilay mofo nampiasain’i Jesosy?
9 Misy mpivavaka milaza fa ara-bakiteny ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ity no vatako.” Mino izy ireo fa nisy fahagagana ka niova ho nofon’i Jesosy ilay mofo. Tsy izany anefa no nitranga.a Samy teo anatrehan’ireo apostoly tsy nivadika, na ny vatan’i Jesosy, na ilay mofo tsy misy lalivay mbola hohanin’izy ireo. Mazava àry fa nilaza teny an’ohatra i Jesosy teo, toy ny efa nataony imbetsaka.—Jaona 2:19-21; 4:13, 14; 10:7; 15:1.
10. Mifanitsy amin’ny inona ilay mofo amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo?
10 Mifanitsy amin’ny vatan’i Jesosy ilay mofo teo anoloan’ny apostoly. Nieritreritra ny mpanompon’i Jehovah taloha hoe io vatana io dia ny fiangonan’ny voahosotra, izay antsoina koa hoe “vatan’i Kristy.” Nino izany izy ireo satria notapahin’i Jesosy ilay mofo, nefa tsy nisy tapaka ny taolany rehefa natao sorona izy. (Efes. 4:12; Rom. 12:4, 5; 1 Kor. 10:16, 17; 12:27) Nandinika tsara sy nikaroka tao amin’ny Baiboly anefa izy ireo, ka takany fa ilay mofo dia mifanitsy amin’ny vatan’i Jesosy izay nomanin’Andriamanitra ho azy. “Nijaly tao amin’ny nofo” i Jesosy ary nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana mihitsy. Ilay mofo amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo àry dia mifanitsy amin’ny vatan’i Jesosy, izay ‘nitondrany ny fahotantsika.’—1 Pet. 2:21-24; 4:1; Jaona 19:33-36; Heb. 10:5-7.
-
-
‘Ataovy Izao ho Fahatsiarovana Ahy’Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Desambra
-
-
Izao, ohatra, no voalaza ao amin’ny Matio: “Nandray mofo i Jesosy. Rehefa avy nivavaka izy, dia notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: ‘Raiso ity, ka hano. Ity no vatako.’” (Mat. 26:26) Notapahin’i Jesosy ilay mofo mba ho azo nozarazaraina tamin’ireo apostoly teo ankaviany sy ankavanany. Hahita mofo tsy misy lalivay ao anaty vilia ianao rehefa manatrika ny Fahatsiarovana amin’ny 14 Aprily, ary mety ho efa notapatapahina ilay izy.
-