FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny “Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao” — Lalina sady azo antoka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1991 | 1 Jona
    • Araka ny Matio 26:26 ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, dia niteny toy izao ny amin’ny mofo natolony ny mpianany i Jesosy fony izy nanorina ny fankalazana ny Sakafo harivan’ny Tompo: “Mampiseho ny tenako ity.” Mandika an’io andinin-teny io toy izao ny ankamaroan’ireo fandikan-teny hafa: “Ity no tenako”, ary izany dia nampiasaina hanohanana ny foto-pampianarana hoe tonga nofon’i Kristy ara-bakiteny ilay mofo mandritra ny fankalazana ny Sakafo harivan’ny Tompo. Ilay teny nadikan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao hoe “mampiseho” (es·tinʹ, endriny iray amin’ny ei·miʹ), dia avy amin’ny teny grika midika hoe “dia”, nefa mety hidika hoe “mampiseho” koa io teny grika io. Araka izany, ny Greek-English Lexicon of the New Testament nosoratan’i Thayer dia milaza fa io matoanteny io “matetika dia mitovy amin’ny hoe manana heviny hoe, midika hoe, manambara.” Ny hoe “mampiseho” tokoa eto dia fandikan-teny araka ny fandrindran-kevitra. Fony i Jesosy nanorina ny Sakafo hariva farany, dia mbola niraikitra tamin’ny taolany ny nofony, ka ahoana no ho nahafahan’ny mofo ho tonga nofony ara-bakiteny?a

  • Ny “Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao” — Lalina sady azo antoka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1991 | 1 Jona
    • a Ao amin’ny Apokalypsy 1:20, ilay Alemanina mpandika teny atao hoe Curt Stage dia nandika io matoanteny io ihany toy izao manaraka izao: “Ny fanaovan-jiro fito dia mampiseho [ei·sinʹ] kongregasiona fito.” Nandika azy io hoe “manambara” [es·tinʹ] i Fritz Tillmann sy i Ludwig Thimme ao amin’ny Matio 12:7.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara