FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Mandehana ... Ampianaro ny Olona”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
    • Irahin’i Jesosy koa isika

      14. Inona no manaporofo fa ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra no irahina hanao ilay asa resahina ao amin’ny Matio 28:18-20? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

      14 Nanankina andraikitra lehibe tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, rehefa nilaza hoe: “Mandehana ... ampianaro ny olona ... mba ho lasa mpanara-dia ahy.” Tsy ny mpianany tafavory teo an-tendrombohitra tany Galilia ihany anefa no tao an-tsainy tamin’izay.c Ny “olona any amin’ny firenena rehetra” no nasainy natao mpianatra, ary hitohy “mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao” io asa io. Midika izany fa ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra no irahina hanao io asa io, anisan’izany isika. Andeha àry hodinihintsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:18-20.

  • “Mandehana ... Ampianaro ny Olona”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
    • 16. Inona no tian’i Jesosy hataontsika, rehefa nilaza izy hoe: “Mandehana”? Ahoana no anaovantsika an’izany?

      16 Niresaka momba ilay asa i Jesosy avy eo. Teny tokana no nanombohany azy, dia ny hoe: “Mandehana.” (Andininy 19) Midika izany fa isika no tiany hitady fomba hiresahana momba ilay Fanjakana amin’ny olona. Maro ny fomba azo anaovana izany. Anisan’izany ny fitoriana isan-trano, izay mety tsara mba hihaonana mivantana amin’ny olona. (Asan’ny Apostoly 20:20) Mitady fomba hitoriana tsy ara-potoana koa isika. Mailaka àry isika hiresaka momba ny vaovao tsara, na aiza na aiza mety hanaovana an’izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Mety hiovaova ny fomba fitoriantsika, satria ampifanarahintsika amin’ny toe-javatra sy izay ilain’ny olona eo amin’ny faritany. Ny zavatra tsy miova anefa dia hoe ‘mandeha’ isika ary mitady izay mendrika.​—Matio 10:11.

      17. Ahoana no ‘ampianarantsika ny olona mba ho lasa mpanara-dia’ an’i Jesosy?

      17 Nohazavain’i Jesosy taorian’izay fa ny ‘hampianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia azy’ no tanjona. (Andininy 19) Ahoana no anaovantsika an’izany? Olona ampianarina no atao hoe mpanara-dia, raha tsorina. Tsy mampita fahalalana amin’ny olona fotsiny anefa ny hoe mampianatra. Ny hanampy ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Kristy no tanjontsika, rehefa mampianatra Baiboly azy isika. Manasongadina ny ohatra navelan’i Jesosy isika, isaky ny afaka manao izany. Amin’izay dia i Jesosy mihitsy no lasa Mpampianatra sy Modelin’ilay olona, ka hanahaka ny fomba fiainany izy sady hanao ilay asa nataony.​—Jaona 13:15.

      18. Nahoana ny batisa no fotoana miavaka indrindra eo amin’ny fiainan’ny mpianatra iray?

      18 Lafiny tena lehibe amin’ilay asa nampanaovin’i Jesosy ny hoe: “Ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina” ny olona. (Andininy 19) Ny batisa no fotoana miavaka indrindra eo amin’ny fiainan’ny mpianatra iray, satria porofoiny amin’io fa nanokan-tena tamin’ny fony manontolo ho an’Andriamanitra izy. Tena ilaina àry ny batisa mba hahazoana famonjena. (1 Petera 3:21) Afaka manantena ny hahazo fitahiana maro ao amin’ny tontolo vaovao mihitsy aza ny olona vita batisa, rehefa manome izay tsara indrindra foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Efa nanampy olona mba ho lasa mpanara-dia an’i Kristy vita batisa ve ianao? Tsy misy antom-pifaliana lehibe mihoatra noho izany eo amin’ny fanompoana.​—3 Jaona 4.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara