FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fahamarinana tsy avy amin’ny lovantsofina
    Ny Tilikambo Fiambenana—1991 | 1 Janoary
    • Inenina anefa izy, tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra, no nampiditra izay toa filazana avy tao amin’ny Soratra hebreo tamin’ny teny hoe: “Voalaza hoe” (Matio 5:21, 27, 31, 33, 38, 43) Nahoana? Satria izy dia naka teny tao amin’ny Soratra masina araka ny fomba fanazavan-kevitry ny lovantsofin’ny Fariseo azy izay nifanohitra tamin’ny didin’Andriamanitra. (Deoteronomia 4:2; Matio 15:3)

  • Fahamarinana tsy avy amin’ny lovantsofina
    Ny Tilikambo Fiambenana—1991 | 1 Janoary
    • 13. Ahoana no nampitandreman’i Jesosy na dia ny amin’ny fanombohana fihetsika izay mety hitarika ho amin’ny famonoana olona aza?

      13 Diniho izao ny voalohany amin’io fitohitohizana fanambarana enina io. Nanambara toy izao i Jesosy: “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: ‘Aza mamono olona’; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ny fitsarana”. (Matio 5:21, 22). Ny fahatezerana ao am-po dia afaka mitarika hanao vava ratsy ka avy eo ho amin’ny fanamelohana, ary mety hitarika, amin’ny farany, ho amin’ny famonoana olona mihitsy. Mety hahafaty ny fahatezerana maharitra kobonina am-po: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona”. — 1 Jaona 3:15.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara