FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—2006 | 15 Desambra
    • Nanontany i Jesosy hoe: “Fa ray iza eo aminareo moa no angatahan-janany trondro, kanefa hanolotra azy bibilava fa tsy trondro? Na angatahan-janany atody ka hanolotra azy maingoka?”

  • Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—2006 | 15 Desambra
    • Lioka 11:11

  • Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—2006 | 15 Desambra
    • 12. Hazavao fa mampiharihary ny fahavononan’i Jehovah hamaly vavaka ilay fanoharana momba ny ray mihaino ny fangatahan-janany.

      12 Nampiasa ilay fanoharana momba ny ray mamaly ny fangatahan-janany i Jesosy, mba hampahafantarana ny fiheveran’i Jehovah an’ireo mivavaka aminy. (Lioka 10:22) Mariho aloha ny fahasamihafan’ity fanoharana ity sy ilay teo aloha. Tsy nazoto hanampy an’ilay nila vonjy taminy, ilay lehilahy tao amin’ny fanoharana voalohany. Tsy toa azy io anefa i Jehovah, fa toy ilay ray be fiahiana, izay mailaka ny hamaly ny fangatahan-janany. (Salamo 50:15)

  • Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—2006 | 15 Desambra
    • 14. a) Inona no hevi-diso manakorontana ny sain’ny olona sasany iharam-pitsapana? b) Rehefa iharam-pitsapana isika, nahoana isika no tokony hatoky fa hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah?

      14 Asongadin’ilay fanoharana faharoa nataon’i Jesosy koa fa tsara fanahy lavitra noho ny ray olombelona i Jehovah. Tsy tokony hisy amintsika àry hieritreritra hoe porofon’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny fitsapana atrehintsika. I Satana, ilay fahavalontsika lehibe indrindra, no te hampino antsika izany. (Joba 4:1, 7, 8; Jaona 8:44) Tsy misy fanazavana manamarina izany fanamelohan-tena izany ao amin’ny Soratra Masina. Tsy mitsapa antsika “amin-javatra ratsy” i Jehovah. (Jakoba 1:13) Tsy manome antsika bibilava na maingoka izy, izany hoe tsy misedra antsika amin’ny alalan’ny fitsapana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara