FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Jona
    • Fanontanian’ny mpamaky

      ◼ Tokony hotsoahina avy amin’ny Matio 7:13, 14 sy Lioka 13:24 ve fa, na dia amin’ny fitsanganan’ny maty aza, dia handa ny fanompoam-pivavahana marina ny ankamaroan’ny olona?

      Tsia, tsy manohana izany fanatsoahan-kevitra izany ireo andininy ireo. Lazainy manokana kosa ny fomba hahazoana fiainana ao amin’ny Fanjakana any an-danitra.

  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Jona
    • Mitovy amin’izany ny hevitry ny Lioka 13:24, araka ny asehon’ny teny manodidina. Nanao fanoharana roa mikasika ny “fanjakan’Andriamanitra” i Jesosy. Tatỳ aoriana dia nisy nanontany azy hoe: “Tompoko, moa vitsy va no hovonjena?” Namaly toy izao i Jesosy: “Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.” Ny teny hoe “maro” dia manondro ireo izay nangataka hiditra taorian’ny nikatonan’ny varavarana sy ny nanidiana azy. “Mpanao meloka” izay tsy mendrika ny hiaraka amin’i “Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Nieritreritra ny “maro” fa ho voalohany “ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra” izy ireo, nefa raha ny marina dia ho farany izy, ka miharihary fa izany dia midika hoe tsy ho any mihitsy izy ireo. — Lioka 13:18-30.

      Asehon’ny teny manodidina fa nivaofy ny amin’ny fidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy. Ireo mpitondra jiosy tamin’izany dia nitana toerana feno tombontsoa hatramin’ny ela satria afaka namaky ny Tenin’Andriamanitra. Nihevi-tena ho nanan-karena ara-panahy sy marina teo imason’Andriamanitra izy ireo, mifanohitra amin’ny sarambabem-bahoaka izay nohamavoiny (Jaona 9:24-34). Nolazain’i Jesosy anefa fa afaka mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga izay nanaiky ny hafatra nentiny ka nibebaka. — Jereo Matio 21:23-32; Lioka 16:14-31.

      Tsara toerana mba horaisina toy ny zanaka ara-panahy ny sarambabem-bahoaka izay tonga mpianatr’i Jesosy, rehefa nisokatra ny fiantsoana ho any an-danitra tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. (Hebreo 10:19, 20). Na dia vahoaka maro be aza no nandre an’i Jesosy, dia vitsy no nanaiky azy sy nahazo ny fanantenana ny ho any an-danitra tatỳ aoriana. Ny ondry vitsy voaforon’olombelona nateraky ny fanahy nahazo izany valisoa izany kosa anefa, dia azo ampitahaina amin’i Jakoba miray latabatra any an-danitra amin’i Jehovah (ilay Abrahama Lehibe) sy ny Zanany (nasehon’i Isaka). Azo antoka fa zavatra mendrika ny hanaovana ady mafy izany, nefa dia tsy nanao izany ny ankamaroan’ireo nandre an’i Jesosy.

      Noho izany, afaka mahita avy amin’ny teny manodidina isika fa ny tenin’i Jesosy (mikasika ireo olom-bitsy mandeha eo amin’ny lalana tery mitondra ho amin’ny fiainana ka voavonjy) dia nahakasika voalohany indrindra ny fahazoana sitraka amin’Andriamanitra tamin’izany fotoana nanolorany ny fanantenana fiainana any an-danitra izany. Vitsivitsy ihany tamin’ireo nandre ny hafatry ny fahamarinana sy nianatra izay notakina, no nanaiky ka niseho ho tsy nivadika — Matio 22:14; 24:13; Jaona 6:60-66.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara