FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Foana ny Fasana fa Velona i Jesosy!
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
    • Nihazakazaka i Maria Magdalena nankany amin’i “Simona Petera sy ilay mpianatra anankiray tian’i Jesosy”, dia ny apostoly Jaona. (Jaona 20:2)

  • Foana ny Fasana fa Velona i Jesosy!
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
    • Efa nahita an’i Petera sy Jaona i Maria tamin’izay. Mbola sempotsempotra izy nilaza hoe: “Nisy naka tao am-pasana ny Tompo, ary tsy fantatray izay nametrahany azy.” (Jaona 20:2) Tonga dia lasa nihazakazaka i Petera sy Jaona. Haingana kokoa i Jaona ka izy no tonga aloha tany am-pasana. Nitsikilo tao anatiny izy ary nahita an’ireo fehim-paty, nefa tsy niditra.

      Tonga dia niditra kosa i Petera rehefa tonga ary nahita an’ilay fehim-paty sy ilay lamba natao teo amin’ny lohan’i Jesosy. Izay i Jaona vao niditra ka nino ny tenin’i Maria. Tsy azon’izy roa lahy hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy, na dia efa noresahiny aza izany. (Matio 16:21) Very hevitra izy ireo ka lasa nody. I Maria kosa niverina teo am-pasana ary nijanona teo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara