-
Fiandrasana ‘Amim-paniriana Fatratra’Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 15 Septambra
-
-
fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” — Romana 8:14-21; 2 Timoty 2:10-12.
13 Noho ny fahotan’i Adama, dia “nampanekena ho zava-poana” ny taranany rehetra satria teraka tao anatin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. Tsy afaka nanafa-tena tamin’izany fanandevozana izany izy ireo. (Salamo 49:7; Romana 5:12, 21). Maniry mafy ny ‘hovotsorana amin’ny fanandevozan’ny fahalòvana’ tokoa mantsy ny ondry hafa! Alohan’ny hitrangan’izany anefa, dia misy zavatra sasany tsy maintsy miseho, araka ny andro sy ny fotoana noferan’i Jehovah.
-
-
Fiandrasana ‘Amim-paniriana Fatratra’Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 15 Septambra
-
-
Avy eo, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia mbola ‘haseho’ koa izy ireo, ho mpisorona fampitana ireo soa entin’ny sorom-panavotan’i Jesosy ho an’ny olombelona anisan’“izao zavatra ary rehetra izao”. Ho vokatr’izany, dia ‘hovotsorana amin’ny fanandevozan’ny fahalòvana’ ny taranak’olombelona, ka amin’ny farany dia hiditra ao amin’ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Romana 8:21; Apokalypsy 20:5; 22:1, 2).
-