-
Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana Hisy?Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
-
-
Hoy izy, avy eo: “Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
-
-
Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana Hisy?Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
-
-
9. a) Iza ireo “fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana”? b) Nahoana i Jehovah no nahari-po tamin’ny mpanohitra? Nahoana ny vokatra farany no hahasoa an’ireo tia azy?
9 Nanjary “fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana” ireo nanohitra an’i Jehovah sy ny lalàny, nanomboka tamin’ilay fikomiana tany Edena. Naneho fahari-po i Jehovah hatramin’izay. Nanao tsinontsinona ny lalany ny ratsy fanahy, nanenjika ny mpanompony, ary namono ny Zanany mihitsy. Tena nifehy tena be i Jehovah namela fotoana ampy mba hahitan’ny voary rehetra tsara ny voka-dratsin’ny fikomiana taminy sy ny fitondran’olombelona tsy miankina aminy. Rehefa maty koa i Jesosy, dia nanjary azo navotana ny olombelona mankatò, ary azo ‘ravana ny asan’ny Devoly.’—1 Jaona 3:8; Hebreo 2:14, 15.
10. Nahoana i Jehovah no nandefitra tamin’ny ratsy fanahy nandritra ireo 1 900 taona lasa?
10 Nandefitra tamin’ireo “fanaky ny fahatezerana” ihany i Jehovah, ka mbola tsy nandringana azy ireo, nandritra ny 1 900 taona mahery taorian’ny nananganana an’i Jesosy.
-