FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mifalia amin’ny fanantenana an’ilay Fanjakana!
    Ny Tilikambo Fiambenana—1991 | 15 Desambra
    • Mifalia amin’ny fanantenana an’ilay Fanjakana!

      “Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana”. — ROMANA 12:12.

      1. Nahoana isika no afaka mahita fifaliana amin’ny fiarahana amin’i Jehovah, ary inona no nampirisihan’ny apostoly Paoly hataon’ny kristiana?

      “ILAY Andriamanitra sambatra.” (1 Timoty 1:11, MN). Milazalaza tsara ny amin’i Jehovah tokoa re izany! Nahoana? Satria mitondra fahasambarana be ho azy ny asany rehetra. Koa satria i Jehovah no Loharanon’ny zavatra tsara sy mitondra fahasambarana rehetra, dia afaka mahita fahasambarana amin’ny fiarahana aminy ireo zavaboariny manan-tsaina rehetra. Tamin’ny fomba mety indrindra no nampirisihan’ny apostoly Paoly ny kristiana mba hahatakatra ny hasarobidin’ny tombontsoa mahafaly ananan’izy ireo mahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra, mba hahay hankasitraka ireo fanomezany mahatalanjona rehetra, dia ny zavatra noforonina izany, ary mba hifaly amin’ny hatsaram-panahy miharo fitiavana asehony amin’izy ireo. Nanoratra toy izao i Paoly: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.” — Filipiana 4:4; Salamo 104:31.

      2. Fanantenana inona no mitondra fifaliana lehibe, ary inona no ampirisihana hataon’ny kristiana mifandray amin’io fanantenana io?

      2 Moa ve manaraka io fampirisihana nomen’i Paoly io ny kristiana? Manao izany tokoa izy ireo! Ireo rahalahy ara-panahin’i Jesosy Kristy dia mifaly amin’ilay fanantenana be voninahitra izay natolotr’Andriamanitra azy ireo. (Romana 8:19-21; Filipiana 3:20, 21). Eny, fantatr’izy ireo fa handray anjara ny tenany amin’ny fanatanterahana ilay fanantenana lehibe momba ny hoavin’ny olombelona, dia ny velona sy ny maty; ka izany dia amin’ny fanompoana miaraka amin’i Kristy any amin’ny Fitondram-panjakany any an-danitra. Alao sary an-tsaina ange ny hafalian’izy ireo noho ny tombontsoany ho mpiray lova, manompo amin’ny maha-mpanjaka sady mpisorona e! (Apokalypsy 20:6). Hasambarana toy inona moa ny azy eo am-panampiana ny olombelona tsy mivadika ho tonga amin’ny fahatanterahana ary eo am-panampiana amin’ny fitarihana ny famerenana indray ny Paradisa eto an-tany! Marina tokoa fa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra dia manana “ilay fiorenan’ny fanantenana fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, hatry ny fony fahagola”. (Titosy 1:2, NW). Noho io fanantenana mahatalanjona io, ny apostoly Paoly dia mampirisika toy izao ny kristiana rehetra: “Mifalia amin’ny fanantenana”. — Romana 12:12.a

      Ny tena fifaliana — toetra tsara avy amin’ny fo

      3, 4. a) Inona no dikan’ny teny hoe “mifaly”, ary impiry ny kristiana no tokony hifaly? b) Inona no atao hoe tena fifaliana ary miankina amin’inona izy io?

      3 Ny hoe ‘mifaly’ dia midika ho mahatsapa sy mampiseho hafaliana; izany akory tsy midika hoe feno haravoana na mamoaka ny ao am-po lalandava ny tena. Ny matoanteny mifanitsy amin’ny teny hebreo sy grika hoe “hafaliana”, “fibitahana” ary “fifaliana” ampiasaina ao amin’ny Baiboly, dia sady milaza fahatsapana anaty no milaza fampisehoana ivelany ny hafaliana. Ampirisihina ny kristiana mba ‘hifaly hatrany’, ‘hifaly mandrakariva’. — 2 Korintiana 13:11, MN, 1 Tesaloniana 5:16.

      4 Ahoana anefa no ahafahan’ny olona iray hifaly mandrakariva? Azo atao izany satria ny tena fifaliana dia toetra tsara iray avy amin’ny fo, toetra anaty lalina, toetra ara-panahy. (Deoteronomia 28:47; Ohabolana 15:13; 17:22). Vokatry ny fanahin’Andriamanitra izay nalahatr’i Paoly manaraka ny fitiavana avy hatrany izy io. (Galatiana 5:22). Amin’ny maha-toetra anaty azy, dia tsy miankina amin-javatra ivelany izy io, eny fa na dia amin’ireo rahalahintsika aza. Miankina amin’ny fanahy masin’Andriamanitra kosa izy io. Ary izy io dia avy amin’ilay fahafahampo anaty lalina vokatry ny fahafantarana fa manana ny fahamarinana sy ny fanantenana an’ilay Fanjakana ny tena sady manao izay sitrak’i Jehovah. Noho izany, ny fifaliana dia tsy lafin-toetra maha-izy antsika izay ananantsika hatramin’ny nahaterahantsika fotsiny; izy io dia tapany amin’ny “toetra vaovao”, dia ny fitambaran’ireo toetra tsara izay nampiavaka an’i Jesosy Kristy. — Efesian 4:24; Kolosiana 3:10.

      5. Amin’ny fotoana toy inona ary amin’ny fomba ahoana no mety hisy fisehoan’ny fifaliana eny ivelany?

      5 Na dia fihetseham-po anaty mifandray amin’ny fo ara-panoharana aza ny fifaliana, dia azo aseho ivelany ihany izy io indraindray. Inona àry ireo fisehoan’ny fifaliana ivelany indraindray ireo? Mety ho fahatoniana eo amin’ny tarehy izany ary mety ho tonga hatramin’ny tena fibitahana noho ny hafaliana. (1 Mpanjaka 1:40; Lioka 1:44; Asan’ny apostoly 3:8; 6:15). Midika àry ve izany fa ireo tsy be resaka na tsy mitsiky lalandava dia tsy manana fifaliana? Tsia! Ny tena fifaliana dia tsy miseho amin’ny fipentsompentsona, na hehy, na tsiky na amin’ny fivanìka lalandava. Ny toe-javatra dia mahatonga ny fifaliana hiseho amin’ny fomba isan-karazany. Tsy ny fifaliana ihany akory no mahatonga antsika hifandray tsara amin’ny hafa ao amin’ny Efitrano Fanjakana, fa ny firaiketam-pontsika sy ny fitiavantsika ireo rahalahy kosa.

      6. Nahoana ny kristiana no afaka mifaly foana na dia rehefa miatrika toe-javatra tsy mahafinaritra aza izy ireo?

      6 Ny endrika tsy miova ananan’ny fifaliana dia ny fitoerany lalandava ao anaty amin’ny maha-lafiny iray feno hafanam-po amin’ny toetra vaovao ananan’ny kristiana. Izany no mahatonga ho azo atao ny mifaly mandrakariva. Marina aloha fa indraindray dia mety ho sahiran-tsaina amin-javatra sasany isika, na mety hiatrika toe-javatra tsy mahafinaritra. Mbola afaka ny hanam-pifaliana ao am-pontsika ihany anefa isika. Nisy kristiana voalohany sasany andevo, nanana tompo sarotsarotiny. Afaka nifaly lalandava ve ny kristiana toy izany? Eny, noho ny fanantenany an’ilay Fanjakana sy ny fifaliana tao am-pony. — Jaona 15:11; 16:24; 17:13.

      7. a) Inona no nambaran’i Jesosy mikasika ny fifaliana amin’ny fahoriana? b) Inona no manampy antsika hiaritra amin’ny fahoriana, ary iza no namela ny ohatra tsara indrindra amin’izany lafiny izany?

      7 Raha vao avy nilaza ny apostoly Paoly hoe: “Mifalia amin’ny fanantenana”, dia izao no nanampiny: “Miareta amin’ny fahoriana”. (Romana 12:12). Niresaka ny amin’ny fifaliana amin’ny fahoriana koa i Jesosy rehefa nilaza ao amin’ny Matio 5:11, 12 hoe: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny (...). Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra”. Ny fifaliana sy ny firavoravoana eto dia tsy voatery hiseho ivelany ara-bakiteny akory; tsy inona izany fa ilay fahafahampo lalina anaty izay ananan’ny tena rehefa mampifaly an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy amin’ny famaharana mafy rehefa misy fisedrana. (Asan’ny apostoly 5:41). Raha ny marina, dia ny fifaliana no manampy antsika hiaritra amin’ny fahoriana. (1 Tesaloniana 1:6). Ny amin’izany, dia namela ny ohatra tsara indrindra i Jesosy. Milaza amintsika ny Soratra masina hoe: “Noho ny fifaliana izay napetraka teo anoloany, dia niaritra ny hazo fijaliana izy”. — Hebreo 12:2, NW.

      Mifaly amin’ny fanantenana na dia eo aza ireo zava-manahirana

      8. Zava-manahirana inona avy no mety hatrehin’ny kristiana, nahoana anefa izany no tsy manala ny fifalian’izy ireo?

      8 Ny maha-mpanompon’i Jehovah ny olona iray dia tsy manafaka azy amin’ny zava-manahirana. Mety hisy zava-manahirana ara-pianakaviana, fahasahiranana ara-bola, tsy fahasalamana, na fahafatesan’ny olon-tiana iray. Na dia mety hahatonga alahelo aza ireo zavatra ireo, dia tsy manala ny fiorenan’ny fifaliantsika amin’ny fanantenana an’ilay Fanjakana, dia ilay fifaliana anaty ananantsika ao am-pontsika. — 1 Tesaloniana 4:13.

      9. Nanan-java-nanahirana inona avy i Abrahama, ary ahoana no ahafantarantsika fa nanam-pifaliana tao am-pony izy?

      9 Hevero, ohatra, i Abrahama. Tsy nahafinaritra azy foana akory ny fiainana. Nanan-java-nanahirana ara-pianakaviana izy. Tsy nifanaraka i Hagara vaditsindranony sy i Saraha vadiny. Nisy fifandirana tao. (Genesisy 16:4, 5). Naneso sy nampijaly an’i Isaka i Isimaela. (Genesisy 21:8, 9; Galatiana 4:29). Tamin’ny farany, dia maty i Saraha vady malalany. (Genesisy 23:2). Na dia teo aza ireo zava-nanahirana ireo, dia nifaly tamin’ny fanantenana ny Taranak’ilay Fanjakana izy, dia ilay Taranak’i Abrahama izay amin’ny alalany no hitahiana ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany. (Genesisy 22:15-18). Noho ny fifaliana tao am-pony, dia niaritra teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy nandritra ny zato taona taorian’ny nandaozany an’i Ora, tanàna nahaterahany. Noho izany, dia izao no nosoratana ny aminy: “Nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.” Noho ny finoan’i Abrahama ny Fanjakana mesianika ho avy, dia afaka niteny toy izao i Jesosy Tompo izay efa notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka: “Ravoravo Abrahama (...) hahita ny androko; ary nahita izy ka faly”. — Hebreo 11:10; Jaona 8:56.

      10, 11. a) Ady amin’inona no ataon’ny kristiana, ary ahoana no anafahana antsika? b) Inona no manonitra ny tsy fahaizantsika manao amin’ny fomba tonga lafatra ny ady amin’ny nofontsika mpanota?

      10 Amin’ny maha-olombelona tsy tanteraka, isika koa dia miady amin’ny nofontsika tsy tanteraka, ary mety hampahory mafy io ady mba hanaovana izay tsara io. Ny ady ataontsika amin’ny fahalementsika anefa dia tsy midika hoe tsy manam-panantenana isika. Nahatsiaro tena ho fadiranovana i Paoly mikasika an’io ady io, ka hoy izy hoe: “Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity? Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Romana 7:24, 25). Araka izany, dia afahana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy ny avotra nomeny isika. — Romana 5:19-21.

      11 Ny sorom-panavotan’i Kristy dia manonitra ny tsy fahaizantsika manao ilay ady amin’ny fomba tonga lafatra. Afaka mifaly noho io avotra io isika satria izy io no nahatonga hety ny fanadiovana ny fieritreretantsika sy ny famelana ny fahotantsika. Ao amin’ny Hebreo 9:14, i Paoly dia niresaka ny amin’ny “ran’i Kristy” izay manan-kery “hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty”. Araka izany, ny fieritreretan’ny kristiana dia tsy voatery hovesaran’ny fanamelohana sy ny fahatsapan-tena ho meloka. Izany, sy ny fanantenana ananantsika dia mahaforona hery matanjaka ho an’ny fahasambarana feno hafaliana. (Salamo 103:8-14; Romana 8:1, 2, 32). Amin’ny fibanjinana ny fanantenantsika, isika rehetra dia hahazo hery mba hanaovana ilay ady amim-pahombiazana.

      Fitadidiana hatrany ny fanantenantsika

      12. Fanantenana inona no azon’ny kristiana voahosotra banjinina?

      12 Zava-dehibe ho an’ny sisa voahosotry ny fanahy sy ny ondry hafa ny fitadidiana hatrany ny ‘fanantenan’izy ireo ny famonjena’, ka hitafy izany hatrany ho toy ny fiarovan-doha. (1 Tesaloniana 5:8). Afaka mibanjina ilay tombontsoa mahatalanjona hahazo ny tsy fahafatesana any an-danitra ireo kristiana voahosotra, ho afaka hanatona an’i Jehovah Andriamanitra, ary hifaly amin’ny fiarahana manokana amin’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra sy amin’ireo apostoly ary amin’ireo hafa rehetra amin’ny 144 000 izay nitana ny tsy fivadihany nandritra ireo taonjato. Fiarahana sarobidy tsy hay lazaina re izany!

      13. Ahoana no fihetseham-pon’ireo voahosotra mbola eto an-tany ny amin’ny fanantenany?

      13 Ahoana no fihetseham-pon’ireo voahosotra vitsivitsy mbola eto an-tany ny amin’ny fanantenany an’ilay Fanjakana? Azo atao ny mamintina izany amin’ireo tenin’ny iray izay natao batisa tamin’ny 1913 hoe: “Zavatra azo antoka ny fanantenantsika, ary ho tanteraka amin’ny fomba feno izany ho an’ny tsirairay farany amin’ireo anisan’ny 144 000 amin’ny ondry vitsy, amin’ny ambaratonga lehibe lavitra noho izay mety ho noheverintsika. Isika sisa tavela izay teo tamin’ny taona 1914, fony isika nanantena ny handehanantsika rehetra ho any an-danitra, dia tsy nanary ny fahatakarantsika ny hasarobidin’io fanantenana io. Kanefa dia miorina mafy mbola tsy nisy toy izany ho azy io isika, ary mankasitraka azy io isika na toy inona na toy inona fotoana tsy maintsy hiandrasantsika azy. Zavatra mendrika ny handrasana izany, na dia hitaky iray tapitrisa taona aza. Tombanako ambony kokoa mbola tsy nisy toy izany ny fanantenantsika, ary tsy iriko na oviana na oviana ny hanary ny fankasitrahako an’izany. Ny fanantenan’ny ondry vitsy koa dia manome antoka fa ny zavatra andrandrain’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa dia ho tanteraka, tsy misy fahafahana ny ho diso mihitsy, mihoatra lavitra noho izay sary an-tsaina faran’izay mamirapiratra noheverintsika. Izany no antony amikirantsika mafy hatramin’izao ora izao mihitsy, ary mbola hifikitra mafy ihany isika mandra-pisehon’Andriamanitra tokoa ho marina amin’ny ‘teny fikasany sady soa no lehibe’ ”. — 2 Petera 1:4; Nomery 23:19; Romana 5:5.

      Mifaly dieny izao amin’ny fanantenana Paradisa

      14. Fanantenana inona no ilain’ny olona betsaka hotadidiana hatrany?

      14 Ny fisehoan’ny finoana feno hafaliana toy izany dia mampiditra antony lehibe hifaliana ho an’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa. (Apokalypsy 7:15, 16). Ny olona toy izany dia mila ny mitadidy hatrany ny fanantenana ny ho tafita velona amin’ny Haramagedona. Eny, izy ireo dia manantena ny hahita ny Fanjakan’Andriamanitra hanamarina ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao sy hanamasina ny anarany be voninahitra amin’ny fandefasana ny fahoriana lehibe izay hanadio ny tany amin’ny ratsy fanahy nanana ny Devoly ho andriamanitra. Fifaliana toy inona moa izany hoe ho tafita velona amin’izany fahoriana lehibe izany! — Daniela 2:44; Apokalypsy 7:14.

      15. a) Asa fanasitranana inona no nataon’i Jesosy fony izy teto an-tany, ary nahoana? b) Inona no ho zavatra ara-pahasalamana hilain’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona, ary nahoana izy ireo no tsy mitovy amin’ireo ho tafatsangana amin’ny maty?

      15 Raha ny amin’ny olona betsaka, dia hoy ny Apokalypsy 7:17 hoe: “Ny Zanak’ondry (...) no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony”. Na dia misy fahatanterahany ara-panahy aza io faminaniana io amin’izao fotoana izao, ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona dia hahita azy ho tanteraka ara-bakiteny. Amin’ny fomba ahoana? Inona moa no nataon’i Jesosy fony izy teto an-tany? Nanasitrana ny kilemaina izy, nampandeha ny mandringa, nampalady ny sofin’ny marenina ary nampahiratra ny mason’ny jamba, nanasitrana ny habokana sy ny paralisisa ary “ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra”. (Matio 9:35; 15:30, 31). Moa ve tsy izany no ilain’ireo kristiana amin’izao andro izao? Mbola hitondra ireo kilema sy fahosana avy amin’ity tontolo tranainy ity ho ao amin’ny tontolo vaovao ny olona betsaka. Inona no antenaintsika fa hataon’ny Zanak’ondry amin’izany? Izay hilain’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona dia tena tsy hitovy amin’izay hilain’ireo hatsangana amin’ny maty. Ireo ho tafatsangana amin’ny maty dia azo inoana fa hoforonina indray hanana vatana iray manontolo tomady sy salama na dia mbola tsy hanana ny fahatanterahan’olombelona aza. Noho ny fahagagana momba ny fitsanganana amin’ny maty, dia miharihary fa tsy hila fanamboarana amin’ny alalan’ny fanasitranana mahagaga ny kilema taloha izy ireo aorian’izany. Etsy an-danin’izany, noho ny fanandraman-javatra tsy hanam-paharoa ho hitan’izy ireo amin’ny fahatafitana velona amin’ny Haramagedona, dia ny fanasitranana mahagaga ireo kilema no hilain’ny maro amin’ny olona betsaka ary horaisiny. Toa antony iray tena lehibe amin’ny fanasitranana nataon’i Jesosy ny fampisehoana an-tsary ilay fahatsinjovan-javatra mahafaly izay mampahery ny vahoaka betsaka: tsy ho tafita velona fotsiny izy ireo fa hositranina koa avy eo.

      16. a) Rahoviana no mety hitrangan’ny fanasitranana mahagaga an’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona, ary inona no ho vokany? b) Hanohy hifaly amin’ny fanantenana inona isika mandritra ny Fanjakana arivo taona?

      16 Araka ny fandrindran-kevitra, dia hitranga eo amin’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona izany fanasitranana mahagaga izany, tsy dia ela loatra aorian’ny Haramagedona ary aloha lavitra ny hanombohan’ny fitsanganana amin’ny maty. (Isaia 33:24; 35:5, 6; Apokalypsy 21:4; ampitahao amin’ny Marka 5:25-29.) Amin’izany ny olona dia hanary ny solomaso, ny tehina, ny seza mikorisa, ny solonify, ireo fitaovana fanampiana ny sofina, sy ny toy izany. Anton-javatra mahafaly re izany! Izany asa fanarenan’i Jesosy voalohany izany dia mety tsara erỳ amin’ny toerana tanan’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona amin’ny maha-fototry ny tany vaovao azy! Hesorina ireo aretina mampitondra kilema mba hahafahan’ireo ho tafita velona ireo handroso amim-pahavitrihana, hikarakara amin-jotom-po ilay asa mahatalanjon’ny Fanjakana arivo taona mivelatra eo anoloan’izy ireo, tsy hitambesaran’izay mety ho fahoriana nampitondrain’ny tontolo tranainy azy. Eny, na dia aorian’ny Haramagedona aza, ny olona betsaka dia hanohy hifaly amin’io fanantenana mahatalanjona io, dia ny hahazo fiainan’olombelona tanteraka amin’ny faran’ny arivo taona. Mandritra ny Fanjakana arivo taona manontolo, izy ireo dia hifaly amin’ny fanantenana ny hanatratra izany zava-kendrena mahafaly izany.

      17. Inona avy ireo fifaliana hisy rehefa mandroso ny asa famerenana ny paradisa?

      17 Raha izany no fanantenanao, dia banjino koa ny fifaliana amin’ny fandraisana anjara amin’ny famerenana indray ny paradisa eto an-tany. (Lioka 23:42, 43, MN). Tsy isalasalana fa ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona dia hanampy mba hanadio ny tany ka amin’izany dia hanome toerana taza-maso hahafinaritra ho an’ireo maty hatsangana. Ny fandevenana dia mety hosoloana fotoam-pivoriana ho fandraisana ireo izay hiseho amin’ny fitsanganan’ny maty, anisan’izany ireo olo-malalantsika manokana izay nindaosin’ny fahafatesana. Ary eritrereto ny fiarahana mampandroso amin’ny lehilahy sy vehivavy nahatoky tamin’ireo taonjato lasa. Iza no tianao manokana hiresahana? I Abela ve, sa i Enoka, i Noa, i Joba, i Abrahama, i Saraha, i Isaka, i Jakoba, i Josefa, i Mosesy, i Josoa, i Rahaba, i Debora, i Samsona, i Davida, i Elia, i Elisa, i Jeremia, i Ezekiela, i Daniela sa i Jaona mpanao batisa? Amin’izay, dia ho tapany amin’ny fanantenanao koa io fahatsinjovan-javatra mahafinaritra io. Ho afaka hifampiresaka amin’izy ireo ianao, hianatra aminy, ary hiasa miaraka aminy amin’ny fanaovana ny tany manontolo ho paradisa.

      18. Fifaliana fanampiny inona avy no azontsika banjinina?

      18 Alao sary an-tsaina koa ny sakafo mahasalama, ny rano mangalahala, ny rivotra madio, sy ny tanintsika miverina indray amin’ny fifandanjany tanteraka eo amin’ny fifampiankinan’ny zavamiaina sy ny manodidina azy, araka ilay namoronan’Andriamanitra azy iny. Amin’izany ny fiainana dia ho fandraisana anjara amim-paharisihana sy misy heviny amin’ny asa mahafaly fa tsy ho fifaliana amin’ny fahatanterahana fotsiny, tsy misy fanaovana na inona na inona. Banjino ny fitambaran’olona maneran-tany iray afaka amin’ny heloka bevava, ny fiheveran-tena tafahoatra, ny fialonana, ny fifandirana — firahalahiana izay ahitana ny rehetra mamboly sy mamokatra ny vokatry ny fanahy. Mampientanentana ny fo re izany! — Galatiana 5:22, 23.

      Fanantenana izay mahatonga ny fiainana ho mendrika hiainana

      19. a) Rahoviana ilay fifaliana voalaza ao amin’ny Romana 12:12 no tokony ho tsapa? b) Nahoana isika no tokony ho tapa-kevitra ny tsy hamela ireo andraikitra mavesatra eo amin’ny fiainana hanaisotra ny fanantenantsika?

      19 Ny fanantenana tanteraka dia tsy fanantenana intsony, koa ny filaliana nampirisihan’i Paoly ao amin’ny Romana 12:12 dia tsy maintsy ho tsapa dieny izao. (Romana 8:24). Ny fieritreretana fotsiny ireo fitahiana ho avy izay hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia antony hifaliantsika amin’izany fanantenana izany dieny izao. Koa aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hamela ireo enta-mavesatra eo amin’ny fiainana eo amin’ny tontolo iray mikororosy hanaisotra ny fanantenanao be voninahitra. Aza manjary mihaosa na valaka ka tsy hahita ilay fanantenana eo aloha. (Hebreo 12:3). Tsy handamina ireo zava-manahirana hitanao akory ny fandaozana ny fihazakazahana kristiana. Tsarovy fa, raha mandao ny fanompoana an’Andriamanitra ny olona iray noho ireo enta-mavesatra rehetra eo amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao, dia mbola ho raikitra amin’ireo andraikitra mavesatra ireo ihany izy, kanefa dia hidify azy ny fanantenana ka amin’izany dia hidify azy ny fahafahana hifaly amin’ilay fahatsinjovan-javatra mahatalanjona eo aloha.

      20. Inona no vokatry ny fanantenana an’ilay Fanjakana eo amin’ireo mandray izany, ary nahoana?

      20 Manana ny antony rehetra hananana fiainana sambatra ny vahoakan’i Jehovah. Ny fanantenan’izy ireo mamirapiratra sy mamelombelona dia mahatonga ny fiainana ho mendrika hiainana. Tsy mitana io fanantenana mahafaly io ho an’ny tenany izy ireo. Tsia, fa iriny fatratra ny hizara izany amin’ny hafa. (2 Korintiana 3:12). Koa ireo izay mandray ny fanantenan’ilay Fanjakana àry dia olona matoky tena, ary manandrana mampahery ny hafa izy ireo amin’ny filazana aminy ny vaovao tsara avy amin’Andriamanitra. Izany dia mameno ny fiainan’ireo izay manaiky ilay hafatra amin’ilay fanantenana faran’izay mahatalanjona indrindra nomena ny olombelona amin’ny ankapobeny — dia ny fanantenana an’ilay Fanjakana izay hamerina indray ny paradisa eto an-tany. Raha tsy manaiky izany ny olona, dia mbola hanohy hifaly ihany isika satria manana ilay fanantenana. Ireo manao be marenina no matiantoka fa tsy isika. — 2 Korintiana 4:3, 4.

      21. Inona no efa eo an-tokonana, ary ahoana no tokony hanombanantsika ny fanantenantsika?

      21 Izao no fampanantenan’Andriamanitra: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”. (Apokalypsy 21:5). Ilay tontolo vaovao miaraka amin’ireo fitahiany rehetra mampihetsi-po fatratra sady tsy hanam-pahataperana dia efa eo an-tokonana. Sarobidy ny fanantenantsika — na ny fiainana any an-danitra na ny eo amin’ny tany ho tonga paradisa; mifikira mafy amin’izany. Amin’izao andro farany sarotra izao, dia vao mainka hevero “ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika” izy io. Noho ny fanantenantsika mamahatra mafy toy ny vatofantsika amin’i Jehovah, “Vatolampy mandrakizay”, dia azo antoka fa dieny izao isika dia manana antony mahery sy mampientana mba ‘hifaliana amin’ny fanantenana’ apetraka eo anoloantsika. — Hebreo 6:19; Isaia 26:4.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Mandritra ny taona 1992, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia hanana ho teny fototra amin’ny taona ny hoe: “Mifalia amin’ny fanantenana; (...) mahareta amin’ny fivavahana.” — Romana 12:12.

  • Mitoera ho akaikin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—1991 | 15 Desambra
    • Mitoera ho akaikin’i Jehovah

      “Mahareta amin’ny vavaka” — ROMANA 12:12.

      1. Inona no sitrapon’i Jehovah mikasika ny vavaka, ary fampirisihana inona no omen’ny apostoly Paoly mikasika ny vavaka?

      I JEHOVAH dia “Andriamanitry ny fanantenana” ho an’ny olony mahatoky rehetra. Amin’ny maha-“Mpihaino vavaka” azy, izy dia mihaino ny fiangavian’izy ireo fanampiana mba hahazoana ilay fanantenana mahafaly napetrany eo anoloan’ireo. (Romana 15:13; Salamo 65:2). Ary amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly, dia ampirisihiny ny mpanompony rehetra mba hanatona azy amin’ny fotoana rehetra izay irin’izy ireo. Eo mandrakariva izy, maniry ny hihaino ny fanahian’izy ireo lalina indrindra. Raha ny marina, dia mampirisika azy ireo izy mba ‘haharitra amin’ny fivavahana’ sy ‘hivavaka ka tsy hitsahatra’.a (Romana 12:12; 1 Tesaloniana 5:17). Sitrapon’i Jehovah ny hangatahan’ny kristiana rehetra fanampiana any aminy lalandava amin’ny vavaka, ny hamborahan’izy ireo aminy izay ao am-pony ary ny hanaovany izany amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Zanany malala. — Jaona 14:6, 13, 14.

      2, 3. a) Nahoana Andriamanitra no nampirisika antsika ‘haharitra amin’ny fivavahana’? b) Inona no toky ananantsika fa maniry ny hivavahantsika Andriamanitra?

      2 Nahoana Andriamanitra no manome antsika io fampirisihana io? Satria mety hitambesatra aoka izany amintsika ireo fanerena sy andraikitra eo amin’ny fiainana ka mety hanadino ny hivavaka isika. Na mety hanototra antsika ireo zava-manahirana antsika ka hahatonga antsika tsy hifaly amin’ny fanantenana sy hitsahatra tsy hivavaka. Ho fitsinjovana izany zavatra izany, dia ilaintsika ny fampahatsiarovana izay mampirisika antsika hivavaka sy hanatona akaiky an’ilay loharanon’ny fanampiana sy ny fampiononana, dia i Jehovah Andriamanitsika.

      3 Izao no nosoratan’i Jakoba mpianatra: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”. (Jakoba 4:8). Eny, tsy nihataka ambony loatra na lavitra loatra akory Andriamanitra ka tsy handre izay lazaintsika aminy, na dia eo aza ny maha-olombelona tsy tanteraka antsika. (Asan’ny apostoly 17:27). Ankoatr’izany, dia tsy hoe tsy mihontsina na tsy miraharaha izy. Hoy ny mpanao salamo: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany”. — Salamo 34:15; 1 Petera 3:12.

      4. Ahoana no azo anazavana ny fiheveran’i Jehovah ny vavaka?

      4 Manasa mba hivavaka i Jehovah. Izany dia azontsika oharina amin’ny fivoriana iray izay isian’ny olona maromaro miara-miresaka. Eo ianao, mihaino ny hafa miresaka. Mpitazana no anjara asanao. Avy eo anefa, dia misy mitodika any aminao, milaza ny anaranao, ary mampiantefa ny teniny any aminao. Mitana ny fahaliananao amin’ny fomba manokana izany. Toy izany koa, Andriamanitra dia mandinika tsara mandrakariva ny olony, na aiza na aiza misy azy ireo. (2 Tantara 16:9; Ohabolana 15:3). Koa reny àry ny tenintsika eo am-pandinihana antsika amim-piheverana ho fiarovana antsika. Rehefa miantso ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny vavaka anefa isika, dia voatana ny fahalianany, ary izao izy dia mifantoka amintsika amin’ny fomba mazava tsara. Amin’ny heriny, dia hain’i Jehovah mihitsy aza ny mahatsikaritra sy mahatakatra ny hataka mangina ataon’ny olona ao amin’ny miafina indrindra amin’ny fony sy ny sainy. Manome toky antsika Andriamanitra fa izy dia hanatona an’izay rehetra miantso ny anarany amim-pahatsorana sy mitady ny hitoetra eo akaikiny. — Salamo 145:18.

      Valiny mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra

      5. a) Milaza inona mikasika ny vavaka ataontsika ilay torohevitra mba ‘haharitra amin’ny fivavahana’? b) Ahoana no amalian’Andriamanitra ny vavaka?

      5 Ny torohevitra mba haharitra amin’ny fivavahana dia milaza fa indraindray i Jehovah dia mety hamela antsika hanohy hivavaka momba ny raharaha iray elaela alohan’ny hisehoan’ny valiny omeny. Mety hirona ho reraka mihitsy aza isika amin’ny fangatahana amin’Andriamanitra ny fankasitrahana na ny fitiavana miharo hatsaram-panahy izay toa tena ilaina nefa mitarazoka ela loatra. Noho izany, dia mangataka mafy antsika i Jehovah Andriamanitra mba tsy hilefitra amin’ny fironana toy izany fa mba hivavaka hatrany kosa. Tokony hanohy hangataka aminy mikasika ny fanahiantsika isika, matoky fa izy dia hihevitra ny vavaka ataontsika ary hanome izay tena ilaintsika, fa tsy izay mety ho noheverintsika fotsiny. Tsy isalasalana fa ampifandanjain’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fikasany ny hataka ataontsika. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny hafa, ohatra, ny hataka ataontsika. Azontsika atao ny mampifandray ilay raharaha amin’ny an’ny ray iray izay angatahan’ny zanany lahy bisikilety. Fantatr’ilay ray fa raha mividy bisikilety ho an’io zanany lahy io izy, dia haniry hahazo koa ilay zanany hafa. Koa satria mbola kely loatra mba hahazo bisikilety ny zanany iray, dia mety hanapa-kevitra ny tsy hividy bisikilety mihitsy ilay ray amin’io fotoana manokana io. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, raha jerena amin’ny fikasany sy ny famerany fotoana ho an’ny raharaha, ilay Raintsika any an-danitra dia manapaka ny amin’izay tena tsara indrindra ho antsika sy ho an’ny hafa. — Salamo 84:8, 11; ampitahao amin’ny Habakoka 2:3.

      6. Fanoharana inona no nomen’i Jesosy mikasika ny vavaka, ary mampiseho inona ny faharetana amin’ny vavaka?

      6 Tsara homarihina ilay fanoharana nomen’i Jesosy ny amin’ny ilàn’ny mpianany ‘hivavaka mandrakariva ka tsy ho reraka’. Tsy afaka nahazo rariny ny mpitondratena iray ka naharitra tamin’ny fangatahana tamin’ny mpitsara olombelona iray mandra-pahazony ny rariny tamin’ny farany. Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va”? (Lioka 18:1-7). Ny faharetana amin’ny vavaka dia mampiseho ny finoantsika, ny fianteherantsika amin’i Jehovah, ny fahavononantsika hitoetra eo akaikiny sy hangataka, amin’ny famelana ho eo am-pelatanany izay ho vokany. — Hebreo 11:6.

      Ohatra ny amin’ny fitoerana ho akaikin’i Jehovah

      7. Ahoana no ahafahantsika manahaka ny finoan’i Abela amin’ny fitoerana ho akaikin’i Jehovah?

      7 Mirakitra fitantarana maro be momba ny vavaka nataon’ny mpanompon’Andriamanitra ny Baiboly. Izany dia “nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina”. (Romana 15:4). Mihamatanjaka ny fanantenantsika amin’ny fandinihana ohatra sasany avy amin’ireo izay nitoetra ho akaikin’i Jehovah. Nanolotra sorona ho an’Andriamanitra azo nekena i Abela, ary na dia tsy voalaza aza fa nisy vavaka, dia tsy isalasalana fa nitalaho tamin’i Jehovah tamin’ny vavaka izy mba hanekena ny fanatitra nataony. Hoy ny Hebreo 11:4: “Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina”. Nahafantatra ilay fampanantenan’Andriamanitra tao amin’ny Genesisy 3:15 i Abela, kanefa raha ampitahaina amin’izay fantatsika amin’izao fotoana izao, dia kely dia kely no fantany. Na dia izany aza, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fahalalana nananany i Abela. Amin’izao andro izao koa, ny sasany amin’ireo liana vao haingana amin’ny fahamarinan’Andriamanitra dia mbola tsy manana fahalalana firy, nefa dia mivavaka izy ireo, ary mampiasa araka izay farany azony atao ny fahalalana ananany, toy ny nataon’i Abela. Eny, manao zavatra amim-pinoana izy ireo.

      8. Nahoana no azontsika antoka fa nitoetra ho akaikin’i Jehovah i Abrahama, ary tokony hanontany tena hoe ahoana isika?

      8 Mpanompo mahatokin’Andriamanitra hafa iray i Abrahama, ilay “rain’ny olona rehetra izay mino”. (Romana 4:11). Amin’izao andro izao, dia vao mainka mila finoana matanjaka mbola tsy misy toy izany isika, ary ilaintsika ny mivavaka amim-pinoana, toy ny nataon’i Abrahama. Milaza ny Genesisy 12:8 fa nanorina alitara “ho an’i Jehovah izy ka niantso ny anaran’i Jehovah”. Nahafantatra ny anaran’Andriamanitra i Abrahama ary nampiasa izany tao amin’ny vavaka. Matetika izy no naharitra tamim-pahatsorana tamin’ny vavaka, niantso “ny anaran’i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay”. (Genesisy 13:4; 21:33). Niantso an’Andriamanitra tamin’ny finoana izay nahatonga azy halaza i Abrahama. (Hebreo 11:17-19). Nanampy an’i Abrahama hiravoravo hatrany tamin’ny fanantenana ilay Fanjakana ny vavaka. Moa ve isika manaraka ny ohatr’i Abrahama amin’ny faharetana amin’ny vavaka?

      9. a) Nahoana ireo vavaka nataon’i Davida no andraisan’ny vahoakan’Andriamanitra soa betsaka amin’izao andro izao? b) Inona no mety ho vokatry ny vavaka ataontsika toy ny nataon’i Davida mba hitoerana ho akaikin’i Jehovah?

      9 Niavaka i Davida teo amin’ny faharetana amin’ny vavaka, ary ireo salamo nataony dia manazava izay tokony horaketin’ny vavaka. Ireo mpanompon’Andriamanitra, ohatra, dia afaka mivavaka amin’ny fomba mety mba hahazoana famonjena na fanafahana (3:7, 8; 60:5), fitarihana (25:4, 5), fiarovana (17:8), famelan-keloka (25:7, 11, 18), ary fo madio (51:10). Rehefa azom-pahoriana i Davida, dia nivavaka hoe: “Ampifalio ny fanahin’ny mpanomponao”. (86:4). Afaka mivavaka toy izany koa isika mba hahazoana hafaliam-po, noho ny fahafantarana fa i Jehovah dia maniry ny hifaliantsika amin’ny fanantenantsika. Nitoetra ho akaikin’i Jehovah i Davida ary nivavaka hoe: “Mifikitra aminao ny fanahiko; manohana ahy ny tànanao ankavanana”. (63:8). Hitoetra ho akaikin’i Jehovah toy ny nataon’i Davida ve isika? Raha manao izany isika, dia hanohana antsika toy izany koa izy.

      10. Eritreritra diso inona no nananan’i Asafa mpanao salamo tamin’ny fotoana iray, kanefa inona no nanjary takany?

      10 Raha te hitoetra ho akaikin’i Jehovah isika, dia ilaintsika ny manao izay tsy hitsiriritana ny ratsy fanahy noho ny fiainany tsy misy firaharahana na inona na inona sy feno fitiavana zavatra ara-nofo. Nisy fotoana nahatonga an’i Asafa mpanao salamo hahatsapa fa tsy nisy vidiny ny nanompoana an’i Jehovah, satria ny ratsy fanahy dia “miadana mandrakariva”. Tsikariny anefa fa diso ny fanjohian-kevitra narahiny, fa ny ratsy fanahy dia “eo amin’izay mahasolafaka”. Takany fa tsy nisy na inona na inona tsara kokoa noho ny fitoerana ho akaikin’i Jehovah, ary toy izao no nambarany tamin’Andriamanitra: “Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tànako ankavanana Hianao. Fa indro, very izay lavitra Anao (...) Fa izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.” (Salamo 73:12, 13, 18, 23, 27, 28). Toy izay hitsiriritra ny fiainana tsy misy firaharahana na inona na inona ananan’ny ratsy fanahy, olona tsy manam-panantenana, dia aoka isika hanahaka an’i Asafa amin’ny fitoerana ho akaikin’i Jehovah.

      11. Nahoana i Daniela no ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fitoerana ho akaikin’i Jehovah, ary ahoana no ahafahantsika manahaka azy?

      11 Naharitra tamim-pahatapahan-kevitra tamin’ny vavaka i Daniela na dia teo anatrehan’ny loza ho ao an-davaky ny liona aza noho ny tsy fanarahana ny fameperana nataon’ny fanjakana momba ny vavaka. “Naniraka ny anjeliny” anefa i Jehovah, “ka nanakombona ny vavan’ny liona”, ary namonjy an’i Daniela. (Daniela 6:7-10, 22, 27). Notahina tokoa i Daniela noho ny faharetany tamin’ny vavaka. Moa ve isika koa maharitra amin’ny vavaka, indrindra rehefa miatrika fanoherana eo amin’ny fitoriantsika ilay Fanjakana?

      Jesosy, ilay ohatra ho antsika

      12. a) Teo am-piandohan’ny fanompoany, ohatra inona no navelan’i Jesosy mikasika ny vavaka, ary ahoana no ahafahan’izany hitondra soa ho an’ny kristiana? b) Mampiharihary inona mikasika ny vavaka ilay vavaka fakan-tahaka nomen’i Jesosy?

      12 Hatrany am-piandohan’ny fanompoany teto an-tany, dia asehon’ny fitantarana fa nilofo tamin’ny vavaka i Jesosy. Ny fanaovany vavaka fony izy natao batisa dia namela ohatra tsara dia tsara ho an’izay miatrika ny batisa anaty rano amin’izao androntsika izao. (Lioka 3:21, 22). Afaka mivavaka ny olona iray mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah hanatanterahana izay asehon’ny batisa anaty rano. Nanampy ny hafa hanatona an’i Jehovah amin’ny vavaka koa i Jesosy. Indray mandeha, rehefa teo amin’ny toerana iray i Jesosy, nivavaka, dia nilaza taminy ny mpianatra iray taorian’izany hoe: “Tompoko, mampianara anay hivavaka”. Nolazain’i Jesosy tamin’izay ilay vavaka fantatry ny rehetra hoe vavaka fakan-tahaka ka asehon’ny filaharan’ny foto-kevitra ao fa ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany no tokony homena ny laharam-pahamehana. (Lioka 11:1-4). Araka izany, ao amin’ny vavaka ataontsika dia ilaintsika ny mitana fahaiza-manavaka sy fahaiza-mandanjalanja, tsy manao tsirambina “ny zavatra lehibe indrindra”. (Filipiana 1:9, 10, MN). Ekena fa indraindray dia misy zavatra ilaina manokana na misy zava-manahirana hentitra iray ilaina holazaina. Toa an’i Jesosy, dia afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny vavaka ny kristiana mba hitadiavana hery hanatanterahana asa nanendrena sasany na mba hiatrehana fisedrana na loza manokana. (Matio 26:36-44). Raha ny marina, ny vavaka manokana dia mety hahafaoka saiky ny lafiny rehetra amin’ny fiainana.

      13. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny fivavahana ho an’ny hafa?

      13 Tamin’ny ohatra tsara dia tsara nomeny, dia nasehon’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny hivavahana ho an’ny hafa. Fantany fa hankahalaina sy henjehina sahala aminy ireo mpianany. (Jaona 15:18-20; 1 Petera 5:9). Noho izany, dia nangataka tamin’Andriamanitra izy mba “hiaro azy amin’ny ratsy” (Jaona 17:9, 11, 15, 20). Noho ny fahafantarany ny fisedrana manokana niandry an’i Petera, dia hoy izy taminy: “Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao”. (Lioka 22:32). Toy inona moa ny soa raisina raha toa isika koa ka maharitra amin’ny fivavahana ho an’ireo rahalahintsika, amin’ny fiheverana ny hafa fa tsy ny zava-manahirana sy ny tombontsoantsika manokana fotsiny! — Filipiana 2:4; Kolosiana 1:9, 10.

      14. Ahoana no ahafantarantsika fa nitoetra ho akaiky dia akaiky an’i Jehovah i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany, ary ahoana no ahafahantsika manahaka azy?

      14 Nandritra ny fanompoany, i Jesosy dia naharitra tamin’ny vavaka, nitoetra ho akaiky dia akaiky an’i Jehovah. (Hebreo 5:7-10). Nanonona ny Salamo 16:8 ny apostoly Petera ao amin’ny Asan’ny apostoly 2:25-28 ary nampihatra izany tamin’i Jesosy Kristy Tompo: “Fa Davida milaza Azy hoe: ‘Nijery an’i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo an-kavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho”. Afaka manao toy izany koa isika. Afaka mangataka amin’Andriamanitra mba hanakaiky antsika isika amin’ny vavaka, ary azontsika aseho ny fatokiantsika an’i Jehovah amin’ny fireritreretana azy foana ho toy ny eo anatrehantsika. (Ampitahao amin’ny Salamo 110:5; Isaia 41:10, 13). Amin’izay isika dia hanalavitra izao karazam-pahasahiranana rehetra izao, satria hanohana antsika i Jehovah, ary tsy hangozohozo mihitsy isika.

      15. a) Momba ny inona no tsy tokony hanadinoantsika mihitsy ny haharitra amin’ny vavaka? b) Fampitandremana inona no omena mikasika ny fankasitrahantsika?

      15 Enga anie isika tsy hanadino na oviana na oviana ny hisaotra an’i Jehovah noho ny hatsaram-pony rehetra tamintsika, eny, noho “ny haben’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory”, izay mahafaoka ny fanomezana ny Zanany ho sorom-panavotana noho ny fahotantsika. (2 Korintiana 9:14, 15, NW; Marka 10:45; Jaona 3:16; Romana 8:32; 1 Jaona 4:9, 10). Eny tokoa, amin’ny anaran’i Jesosy dia ‘misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra’. (Efesiana 5:19, 20; Kolosiana 4:2; 1 Tesaloniana 5:18). Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hamela ny fankasitrahantsika noho izay ananantsika tsy ho simba satria sahiran-tsaina amin’izay tsy ananantsika na amin’ny zava-manahirana antsika manokana isika.

      Fametrahana ny entantsika amin’i Jehovah

      16. Rehefa misy enta-mavesatra manahiran-tsaina antsika, inona no tokony hataontsika?

      16 Ny faharetana amin’ny vavaka dia mampiseho ny halalin’ny fanoloran-tenantsika. Rehefa miantso vonjy amin’Andriamanitra isika, dia tsara ny vokany eo amintsika na dia alohan’ny hisian’ny valiny avy any aminy aza. Raha misy enta-mavesatra manahiran-tsaina antsika, dia afaka mitoetra ho akaikin’i Jehovah isika amin’ny fanarahana ny torohevitra hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao”. (Salamo 55:22). Amin’ny fametrahana amin’Andriamanitra, amim-pinoana azy tanteraka, ny entantsika rehetra — fanahiana, alahelo, fahadisoam-panantenana, tahotra, sy ny toy izany — dia hahazo fahatonian’ny fo isika, dia ny “fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. — Filipiana 4:4, 7; Salamo 68:19; Marka 11:24; 1 Petera 5:7.

      17. Ahoana no ahafahantsika mahazo ny fiadanan’Andriamanitra?

      17 Tonga eo no ho eo ve io fiadanan’Andriamanitra io? Na dia mety hahazo fanamaivanana sasany avy hatrany aza isika, izay nolazain’i Jesosy momba ny fangatahana ny fanahy masina amin’ny vavaka dia marina koa eto: “Mangataha hatrany, dia homena ianareo; mitadiava hatrany, dia hahita ianareo, dondòny hatrany, dia hovohana ianareo”. (Lioka 11:9-13, MN). Koa satria ny fanahy masina no fitaovana analantsika ny fanahiantsika, dia ilaintsika ny maharitra mangataka ny fiadanan’Andriamanitra sy ny fanampiany mikasika izay manavesatra antsika. Afaka mahazo antoka isika fa amin’ny faharetantsika amin’ny vavaka, dia ho azontsika ilay fahamaivamaivanana sy fahatoniam-po irina.

      18. Inona no ataon’i Jehovah ho antsika raha toa ka tsy tena fantatsika marina izay hangatahina amin’ny vavaka amin’ny toe-javatra sasany?

      18 Ahoana anefa raha tsy fantatsika mazava hoe inona no hangatahina amin’ny vavaka? Indraindray ireo tolokontsika anaty dia mitoetra ho tsy voambara satria tsy tena takatsika tsara ny toe-javatra misy antsika, na sanganehana isika ny amin’izay holazaina amin’i Jehovah. Eo no anaovan’ny fanahy masina fitarainana ho antsika. Nanoratra toy izao i Paoly: “Fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona [ho antsika, MN] amin’ny fitarainana tsy azo tononina.” (Romana 8:26). Amin’ny fomba ahoana? Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia misy faminaniana sy vavaka maro ara-tsindrimandry izay misy ifandraisany amin’ny toe-javatra misy antsika. Avelan’Andriamanitra izy ireny hanao fitarainana ho antsika, raha azo atao ny milaza izany. Ekeny ho toy ny zavatra nangatahintsika tamin’ny vavaka izy ireny raha toa fotsiny isika ka nahafantatra ny dikany ho antsika, ary dia tanterahiny izy ireny mifanaraka amin’izany.

      Hitohy ny vavaka sy ny fanantenana

      19. Nahoana ny vavaka sy ny fanantenana no hitohy mandrakizay?

      19 Hitohy mandrakizay ny vavaka atao amin’ny Raintsika any an-danitra, indrindra fa mikasika ny fankasitrahana noho ilay tontolo vaovao sy ny fitahiana rehetra entiny. (Isaia 65:24; Apokalypsy 21:5). Hanohy hifaly amin’ny fanantenana koa isika, satria hisy fanantenana amin’ny endriny sasany hitoetra mandrakizay. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 13:13.) Tsy azontsika vinanina akory hoe inona no zava-baovao hoforonin’i Jehovah rehefa tsy ho eo ambanin’ny Sabata, andro fitsaharana momba ny tany, izay nodidian’ny tenany, intsony izy. (Genesisy 2:2, 3). Mandritra ny mandrakizay, dia hanan-javatra tsy hampoizina hampiseho fitiavana hatolotra ny vahoakany izy, ary hitondra zava-mahatalanjona ho azy ireo ny hoavy eo amin’ny fomba fanaovana ny sitrapony.

      20. Inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika, ary nahoana?

      20 Amin’ny fananana fanantenana mampientanentana ny fo toy izany eo anoloantsika, dia enga anie isika rehetra hitoetra ho akaikin’i Jehovah amin’ny faharetana amin’ny vavaka. Enga anie isika tsy hitsahatra mihitsy ny hisaotra ny Raintsika any an-danitra noho ireo fitahiana rehetra azontsika. Amin’ny fotoana mety, dia ho tanteraka amim-pifaliana ny fanantenantsika, eny mihoatra lavitra noho izay mety ho novinavinaintsika na noheverintsika mialoha, satria i Jehovah dia afaka manao “mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza”. (Efesiana 3:20). Noho izany àry, dia aoka isika hanome ny dera sy ny voninahitra ary ny fisaorana rehetra mandrakizay doria ho an’i Jehovah Andriamanitsika, ilay “Mpihaino vavaka”!

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Araka ny Webster’s New Dictionary of Synonyms, ny hoe “Maharitra dia saiky milaza foana toetra tsara maha-te hidera; manipy hevitra ny amin’ny tsy fetezana ho kivy noho ny tsy fahombiazana, na ny fisalasalana na noho ny fahasahiranana, sy ny amin’ny fanatratrarana tanjona iray na asa iray amin’ny fomba tsy azo hozongozonina sy feno fikirizana.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara