-
“Aza Mamaly Ratsy ny Ratsy”Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Jolay
-
-
“Aza mamaly faty”
15. Nahoana isika no tsy tokony hamaly faty, araka ny Romanina 12:19?
15 Nilaza antony lehibe hafa iray misakana antsika tsy hamaly faty i Paoly. Tsy inona izany fa ny fanetren-tena. Hoy izy: “Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Romanina 12:19) Miana-kendry izay Kristianina mamaly faty, satria manao zavatra tokony hataon’Andriamanitra. (Matio 7:1) Asehony amin’izany koa fa tsy atokisany ilay tenin’i Jehovah hoe: “Izaho no hamaly.” Matoky kosa ny tena Kristianina fa ‘hataon[’i Jehovah] izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny.’ (Lioka 18:7, 8; 2 Tesalonianina 1:6-8) Manetry tena izy ireo, ka Andriamanitra no avelany hamaly ny ratsy natao taminy.—Jeremia 30:23, 24; Romanina 1:18.
-
-
“Aza Mamaly Ratsy ny Ratsy”Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Jolay
-
-
Fahatelo, tsy mamaly ny ratsy natao tamintsika isika satria manetry tena. Miana-kendry isika raha mamaly faty, satria i Jehovah efa nilaza hoe: “Ahy ny famaliana.” Mampitandrina antsika koa ny Teniny hoe: “Raha tonga ny fiavonavonana [na hoe miana-kendry ny olona iray], dia tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.” (Ohabolana 11:2) Manetry tena sady hendry àry isika, raha Andriamanitra no avelantsika hamaly ny ratsy natao tamintsika.
-