-
‘Mpiara-miasa mba Hahazoantsika Fifaliana’ ny Anti-panahyNy Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Janoary
-
-
Fantatr’i Paoly koa fa zava-dehibe ny mitadidy ny anaran’ny mpiara-manompo aminy ary miantso azy amin’ny anarany. Nanonona anarana mpiara-manompo maherin’ny 25 izy, rehefa namarana ny taratasiny iray, ka anisan’izany i Persy. Hoy i Paoly momba azy: “Mampamangy any amin’i Persy anabavy malalantsika.”—Rom. 16:3-15.
-
-
‘Mpiara-miasa mba Hahazoantsika Fifaliana’ ny Anti-panahyNy Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Janoary
-
-
Nanao teny fiderana ho an’ny fiangonana hafa koa i Paoly. (Rom. 1:8; Fil. 1:3-5; 1 Tes. 1:8) Nidera an’i Persy koa izy, rehefa nanoratra taratasy ho an’ny fiangonana tao Roma. Hoy izy: “Nanao asa mafy maro tao amin’ny Tompo izy.” (Rom. 16:12) Azo antoka fa nampahery an’io anabavy tsy nivadika io izany! Nanahaka an’i Jehovah sy Jesosy i Paoly, rehefa nanao teny fiderana toy izany.—Vakio ny Marka 1:9-11; Jaona 1:47; Apok. 2:2, 13, 19.
-