-
Nahoana no Misy ny Zava-dratsy sy ny Fijaliana?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
LESONA 26
Nahoana no Misy ny Zava-dratsy sy ny Fijaliana?
Rehefa misy loza dia matetika ny olona no lasa saina hoe fa maninona ilay izy no mitranga. Faly isika satria tena mamaly an’izany ny Baiboly.
1. Inona no nataon’i Satana ka nahatonga ny zava-dratsy hisy?
Nanohitra an’Andriamanitra i Satana Devoly. Notaominy hanao hoatr’azy koa i Adama sy Eva, satria te ho lasa mpitondra izy. Nandainga tamin’i Eva àry izy. (Genesisy 3:1-5) Nataon’i Satana izay hieritreretan’i Eva hoe misy zavatra tsara tsy tian’i Jehovah homena azy. Te hilaza koa izy hoe ho sambatra kokoa ny olombelona raha tsy mankatò an’Andriamanitra. Niteny i Satana hoe tsy ho faty i Eva, ary io no lainga voalohany. Izany no mahatonga ny Baiboly hiantso an’i Satana hoe “mpandainga ... sady rain’ny lainga.”—Jaona 8:44.
2. Inona no nataon’i Adama sy Eva?
Nomen’i Jehovah zavatra be dia be i Adama sy Eva. Nilaza izy hoe afaka nihinana ny voan’ny hazo rehetra tao amin’ny zaridainan’i Edena izy ireo. Ny voan’ny hazo iray ihany no tsy azon’izy ireo nohanina. (Genesisy 2:15-17) Nakan’i Eva anefa ny voan’ilay hazo ka nohaniny. Nihinana an’ilay izy koa i Adama avy eo. (Genesisy 3:6) Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva. Nandeha ho azy tamin-dry zareo ny hoe manao ny tsara, satria lavorary izy ireo. Fanahy iniany àry ilay hoe tsy nankatò. Nanota izy ireo sady nampiseho hoe tsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpitondra intsony. Nijaly be izy ireo noho izany.—Genesisy 3:16-19.
3. Misy vokany amintsika ve ny fanapahan-kevitr’i Adama sy Eva?
Lasa tsy lavorary i Adama sy Eva rehefa nanota, ary lasa tsy lavorary koa ny taranany. Izao no lazain’ny Baiboly momba an’i Adama: ‘Noho ny nataon’ny lehilahy iray no nidiran’ny ota teo amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.’—Romanina 5:12.
Betsaka ny antony mahatonga antsika hijaly. Mijaly isika indraindray satria tsy mahay manapa-kevitra. Mety ho ny fanapahan-kevitry ny hafa koa no mahatonga antsika hijaly. Misy fotoana koa isika mijaly satria tratran’ny loza tsy ampoizina.—Vakio ny Mpitoriteny 9:11.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika hoe inona no porofo fa tsy avy amin’Andriamanitra ny zava-dratsy sy ny fijaliana, ary inona no tsapany rehefa mijaly isika.
4. Iza no mahatonga antsika hijaly?
Betsaka no mieritreritra hoe Andriamanitra no mitondra an’izao tontolo izao. Marina ve izany? Alefaso ilay VIDEO.
Vakio ny Jakoba 1:13 sy ny 1 Jaona 5:19, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Avy amin’Andriamanitra ve ny zava-dratsy sy ny fijaliana?
5. Inona no vokatry ny fitondran’i Satana?
Vakio ny Genesisy 3:1-6, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Inona no lainga nolazain’i Satana?—Jereo ny andininy 4 sy 5.
Ahoana no fomba nilazan’i Satana hoe misy zavatra tsara tsy tian’i Jehovah homena ny olombelona?
Raha jerena ny tenin’i Satana, mila an’i Jehovah mba ho Mpitondra azy ve ny olombelona raha te ho sambatra?
Vakio ny Mpitoriteny 8:9, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no nitranga rehefa tsy i Jehovah intsony no Mpitondra an’izao tontolo izao?
A. Lavorary i Adama sy Eva ary niaina tao amin’ny Paradisa. Nihaino an’i Satana anefa izy ireo ka tsy nankatò an’i Jehovah
B. Lasa mpanota ny olona ary mijaly sy maty
D. Hesorin’i Jehovah ny ota sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Ho lavorary indray ny olona ary hiaina ao amin’ny Paradisa
6. Malahelo i Jehovah mahita antsika mijaly
Tsy miraharaha ny fijaliantsika ve Andriamanitra? Jereo hoe inona no nosoratan’i Davida Mpanjaka sy ny apostoly Petera. Vakio ny Salamo 31:7 sy ny 1 Petera 5:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no tsapanao rehefa fantatrao hoe mahita ny fijaliantsika i Jehovah sady miahy antsika?
7. Hesorin’Andriamanitra ny zavatra rehetra mampijaly antsika
Vakio ny Isaia 65:17 sy ny Apokalypsy 21:3, 4, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Hesorin’i Jehovah ny zavatra rehetra mampijaly ny olombelona. Nahoana no mampahery anao ny mahafantatra an’izany?
Fantatrao ve?
Nanendrikendrika an’i Jehovah i Satana rehefa niteny an’ilay lainga voalohany. Lasa ratsy laza i Jehovah satria nataon’i Satana izay hieritreretan’ny olona hoe tsy manao ny rariny izy sady tsy manam-pitiavana. Hanamasina ny anarany anefa i Jehovah rehefa hanala ny fijaliana amin’ny hoavy. Hoporofoiny hoe izy ihany no Mpitondra tsara indrindra. Tena zava-dehibe io fanamasinana ny anaran’i Jehovah io.—Matio 6:9, 10.
MISY MITENY HOE: “Efa lahatr’Andriamanitra ny fijaliana.”
Ahoana no havalinao?
FAMINTINANA
Ny zavatra nataon’i Adama sy Eva ary Satana Devoly no tena nahatonga ny zava-dratsy hisy. Hitan’i Jehovah ny fijaliantsika, ary kely sisa izany dia hesoriny.
Famerenana
Inona no lainga notenenin’i Satana Devoly tamin’i Eva?
Rehefa tsy nankatò i Adama sy Eva, dia inona no vokatr’izany tamin’ny olona rehetra?
Ahoana no ahalalantsika hoe hitan’i Jehovah ny fijaliantsika?
JEREO KOA IRETO
Inona no atao hoe ota, raha ny Baiboly no jerena?
Inona ilay adihevitra napoitran’i Satana Devoly tao amin’ny zaridainan’i Edena?
“Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2014)
Ho hitanao ato ny valin’ny fanontaniana iray manahiran-tsaina.
“Nahoana no Navelan’Andriamanitra Hamono Olona Tambabe ny Nazia?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)
Lasa fantatry ny lehilahy iray hoe maninona ny olona no mijaly.
-
-
Nahoana no Manavotra Antsika ny Nahafatesan’i Jesosy?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
Lasa mpanota sy mijaly ary maty isika, satria tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva.a Mbola misy fanantenana anefa. Nanao zavatra mantsy i Jehovah mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany izy mba ho faty ho antsika. Milaza ny Baiboly hoe nanome vidim-panavotana i Jesosy rehefa maty. Ny vidim-panavotana dia zava-tsarobidy omena mba hanavotana olona. Ny ainy lavorary no nomen’i Jesosy mba hanavotana antsika. (Vakio ny Matio 20:28.) Afaka niaina mandrakizay i Jesosy tamin’izy teto an-tany, satria lavorary izy sady nankatò an’i Jehovah foana. Nanaiky ho faty ho antsika anefa izy, satria tiany ho azontsika indray ny zavatra nafoin’i Adama sy Eva. Nasehon’i Jesosy koa hoe tena tia antsika izy sy Jehovah. Hanampy anao hankasitraka kokoa ny sorona nataon’i Jesosy ity lesona ity.
1. Inona no soa raisintsika dieny izao noho i Jesosy maty ho antsika?
Mpanota isika dia imbetsaka no manao zavatra tsy tian’i Jehovah. Ho lasa mpinamana be aminy anefa isika raha tena manenina, mangataka famelan-keloka aminy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ary miezaka mafy mba tsy hamerina an’ilay fahadisoana intsony. (1 Jaona 2:1) Milaza ny Baiboly hoe: “Maty indray mandeha fotsiny noho ny ota [i Kristy], izany hoe olo-marina ho solon’ny tsy marina, mba hitondrany anareo ho amin’Andriamanitra.”—1 Petera 3:18.
2. Inona no soa horaisintsika amin’ny hoavy noho i Jesosy maty ho antsika?
Nirahin’i Jehovah i Jesosy mba hanao sorona ny ainy lavorary, amin’izay dia “tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Lasa nisy zava-dratsy be dia be rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama. Noho ny zavatra nataon’i Jesosy anefa, dia ho afaka hanafoana an’ireny zava-dratsy ireny i Jehovah. Kely sisa izy dia hanao an’izany. Raha maneho finoana ny sorona nataon’i Jesosy isika, dia ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Isaia 65:21-23.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika hoe nahoana i Jesosy no nahafoy ny ainy, ary nahoana izany no mahasoa anao.
3. Manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana ny sorona nataon’i Jesosy
Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Inona no nafoin’i Adama rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra izy?
Vakio ny Romanina 5:12, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Rehefa nanota i Adama, dia inona no vokatr’izany tamintsika?
Vakio ny Jaona 3:16, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana i Jehovah no naniraka ny Zanany ho etỳ an-tany?
Lavorary i Adama nefa tsy nankatò an’Andriamanitra. Lasa mpanota sy maty ny olona rehetra noho izany
Lavorary i Jesosy ary nankatò an’Andriamanitra foana. Afaka ny ho lavorary indray sy hiaina mandrakizay ny olona rehetra noho izany
4. Mahasoa ny olona rehetra ny sorona nataon’i Jesosy
Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Nahoana no mitombina ilay hoe olona iray no maty dia ny olona rehetra no mandray soa?
Vakio ny 1 Timoty 2:5, 6, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Lavorary i Adama, nefa nanota izy ka lasa mpanota sy maty ny olona rehetra. Lavorary koa i Jesosy. Nahoana no azo lazaina hoe “vidim-panavotana mifandanja” no nomeny?
5. Fanomezan’i Jehovah ho anao ny vidim-panavotana
Ahoana no fiheveran’ny naman’i Jehovah ny vidim-panavotana? Raisin’izy ireo ho fanomezana natao ho azy mihitsy ilay izy. Vakio ny Galatianina 2:20, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no mampiseho hoe noraisin’ny apostoly Paoly ho fanomezana natao ho azy ny vidim-panavotana?
Rehefa nanota i Adama, dia voaheloka ho faty izy sy ny taranany. Nirahin’i Jehovah anefa ny Zanany mba ho faty ho anao, amin’izay ianao ho afaka hiaina mandrakizay.
Rehefa mamaky an’ireto andinin-teny ireto ianao, dia eritrereto izay tsapan’i Jehovah rehefa nijaly ny Zanany. Vakio ny Jaona 19:1-7, 16-18, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ny zavatra nataon’i Jehovah sy Jesosy ho anao ianao?
METY HISY HANONTANY HOE: “Ahoana koa izany hoe olona iray no maty dia ny olona rehetra no voavonjy?”
Ahoana no havalinao?
FAMINTINANA
Afaka mamela ny helotsika i Jehovah noho ny sorona nataon’i Jesosy. Ho afaka hiaina mandrakizay koa isika.
Famerenana
Inona no antony nahafatesan’i Jesosy?
Nahoana no lazaina hoe vidim-panavotana mifandanja ny aina lavorary nomen’i Jesosy?
Nahoana no mahasoa anao ny nahafatesan’i Jesosy?
JEREO KOA IRETO
Nahoana no antsoina hoe vidim-panavotana ny aina lavorary nomen’i Jesosy?
“Nahoana ny Soron’i Jesosy no Lazaina fa ‘Avotra Hisolo ny Maro’?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)
Inona no mila ataontsika raha te ho voavonjy isika?
“Nahoana no Lazaina fa Mpamonjy i Jesosy?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)
Afaka mamela ny olona iray ve i Jehovah raha nanao fahotana lehibe izy?
“Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2013)
Nahoana no nanampy lehilahy iray hanova ny toetrany ny nianatra momba ny soron’i Kristy?
“Tsy Mahery Setra Intsony Aho” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)
a Tsy hoe rehefa manao zavatra ratsy ihany isika vao atao hoe manota. Antsoina hoe mpanota koa isika satria taranak’i Adama sy Eva dia mora voatarika hanao ratsy.
-