-
“Izao Indrindra no Fotoana Fanehoana Fankasitrahana”Ny Tilikambo Fiambenana—2010 | 15 Desambra
-
-
6, 7. Inona no tombontsoa lehibe nomena ny voahosotra ankehitriny, ary iza no manampy azy ireo?
6 Talohan’io, dia nanoratra i Paoly fa nomena tombontsoa lehibe izy sy ireo Kristianina voahosotra hafa. (Vakio ny 2 Korintianina 5:18-20.) Nantsoin’Andriamanitra manokana mantsy izy ireo, mba hanao “fanompoana fampihavanana”, ka hiangavy ny olona mba ‘hihavana’ indray amin’Andriamanitra.
7 Hatramin’ny fikomiana tany Edena, dia tafasaraka tamin’i Jehovah ny olombelona rehetra. (Rom. 3:10, 23) Lasa tsy mahalala an’i Jehovah sy ny fikasany àry ny olona amin’ny ankapobeny. Nanomboka teo ny fijaliana sy ny fahafatesana. Hoy i Paoly: ‘Fantatsika fa mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.’ (Rom. 8:22)
-
-
“Izao Indrindra no Fotoana Fanehoana Fankasitrahana”Ny Tilikambo Fiambenana—2010 | 15 Desambra
-
-
8. Nahoana no tena miavaka ilay fampihavanana?
8 Nahoana no tena miavaka ilay fampihavanana? Ny olona no niala tamin’Andriamanitra rehefa nikomy tany Edena, nefa Andriamanitra no nanao ny dingana voalohany mba hihavanan’ny olona aminy. (1 Jaona 4:10, 19) Inona no nataony? Hoy i Paoly: “Nampihavanin’Andriamanitra taminy tamin’ny alalan’i Kristy izao tontolo izao, ka tsy nisainy ny helok’izy ireo. Ary nankininy taminay ny teny fampihavanana.”—2 Kor. 5:19; Isaia 55:6.
9. Inona no nataon’i Paoly mba hanehoana fa nankasitrahany ny famindra-pon’Andriamanitra?
9 Nanome vidim-panavotana i Jehovah, ka izay maneho finoana azy io dia afaka mahazo famelan-keloka sy mifandray aminy. Naniraka solontena mihitsy aza izy, mba handrisika ny olon-drehetra hihavana aminy, dieny mbola azo atao. (Vakio ny 1 Timoty 2:3-6.)
-