-
Efa ho Voavaha Tanteraka ny Olan’ny Olombelona!Ny Tilikambo Fiambenana—2002 | 15 Jona
-
-
Mahagaga tokoa izany! Rehefa nanohitra voalohany ny zon’Andriamanitra hitondra i Satana, dia toy ny nilaza fa misy tsininy ny olombelona noforonin’i Jehovah. Te hilaza izy tamin’izany fa hikomy amin’ny fitondran’Andriamanitra ny olona rehetra rehefa enjehina na alaim-panahy. (Joba 1:7-12; 2:2-5) Nasehon’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fomba niavaka “ny voninahitry ny fahasoavany”, rehefa nasehony tatỳ aoriana fa natoky ny olombelona izy ka nanangana ho zanany ara-panahy ny sasany tamin’ny fianakavian’i Adama mpanota. Hanompo any an-danitra io antokon’olom-bitsy io.
-