-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-49 — Efesiana“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
Ilay “zava-miafina masina” naharihary tamin’ireo Efesiana, mikasika ny fitondran’Andriamanitra (ny fomba fitantanany ireo raharahan’ny ankohonany) izay hamerenany ny firaisan-kina sy ny fiadanana (NW ) amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia tsy azo lavina fa nandrisika sy nampionona azy ireo tokoa. (1:9, NW, 10).
-
-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-49 — Efesiana“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
9. Tamin’ny ahoana no hoe nataon’Andriamanitra be ny fitiavany, ary inona no vavaka nataon’i Paoly?
9 Ny fikasan’Andriamanitra hitondra firaisan-kina amin’ny alalan’i Kristy (1:1–2:22). Nandefa fiarahabana i Paoly ilay apostoly. Isaorana Andriamanitra noho ny voninahitry ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory (NW ). Izany dia misy ifandraisana amin’ny nifidianany azy ireo mba ho tafaray amin’i Jesosy Kristy, izay nahazoany fanavotana tamin’ny rany. Ankoatra izany, dia nataony be ny fitiavany azy ireo tamin’ny fampahafantarana ny zava-miafina masina ny amin’ny sitrapony, satria nikasa ny hisian’ny fitondrana izy, mba “hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”, ary ao aminy koa no nanaovana azy ireo ho lovany. (1:10).
-
-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-49 — Efesiana“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
19. Fanantenana sy fampaherezana inona no mbola asongadin’ny Efesiana ihany hatramin’izao andro ankehitriny izao?
19 Raha ny amin’ilay “zava-miafina masina”, dia niresaka koa i Paoly momba “ny fitondrana [iray] (...), hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra [ireo voafidy ho ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra], na ny etỳ an-tany [ireo hiaina eto an-tany ao amin’ny faritra hanapahan’ilay Fanjakana]”. Araka izany, dia nasongadina ilay fikasana lehiben’Andriamanitra hamerina ny fiadanana sy ny firaisan-kina amin’ny laoniny.
-