-
Inona no Tsy Itovizan’ny Olona Manompo An’i Jehovah sy ny Tsy Manompo Azy?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2018 | Janoary
-
-
Izao no nanombohany an’ilay fitanisana: “Fa ny olona ho ...” Mety ho lehilahy na vehivavy ilay hoe “olona.” Tsy ny olona rehetra anefa no manana an’ireo toetra noresahin’i Paoly ireo. Hafa mihitsy ny toetran’ny Kristianina.—Vakio ny Malakia 3:18.
-
-
Inona no Tsy Itovizan’ny Olona Manompo An’i Jehovah sy ny Tsy Manompo Azy?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2018 | Janoary
-
-
4. Hoatran’ny ahoana izany hoe mieboebo?
4 Rehefa avy nilaza i Paoly hoe ho tia tena sy ho tia vola ny ankamaroan’ny olona, dia nilaza koa izy hoe ho matin-kambo sy hanambony tena ary ho mpieboebo izy ireo. Mieritreritra matetika ny olona manana an’ireo toetra ireo hoe ambony noho ny hafa izy, satria mahay angamba na tsara tarehy na manankarena na manam-pahefana. Te hoderaina sy hohindrahindraina izy. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny olona hoatr’izany: “Hoatran’ny hoe misy alitara kely ao am-pony, dia miankohoka eo izy manompo ny tenany.” Misy milaza fa tena mahatsiravina ny fireharehana matoa ny olona mirehareha aza mba tsy tia olona mirehareha koa.
-
-
Inona no Tsy Itovizan’ny Olona Manompo An’i Jehovah sy ny Tsy Manompo Azy?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2018 | Janoary
-
-
8. a) Ahoana no fiheveran’ny olona sasany ny hoe mankatò ray aman-dreny? b) Inona no asain’ny Soratra Masina ataon’ny ankizy?
8 Noresahin’i Paoly koa hoe hanao ahoana ny fifandraisan’ny olona amin’ny andro farany. Nilaza izy hoe tsy hankatò ray aman-dreny ny ankizy. Be dia be ny boky sy filma ary fandaharana ao amin’ny tele mampiseho fa tsy maninona izany. Mampirisika ny ankizy tsy hankatò ray aman-dreny mihitsy aza izy ireny indraindray. Mahatonga ny fianakaviana hisara-bazana anefa izany, ka manimba ny fiaraha-monina. Efa ela ny olona no nahafantatra fa misy vokany ratsy eo amin’ny fianakaviana ny tsy fankatoavana ray aman-dreny. Raha nisy olona nikasi-tanana ny ray aman-dreniny, ohatra, tany Gresy fahiny, dia nesorina taminy daholo ny zony amin’ny maha Grika azy. Meloka toy ny mpamono olona koa, araka ny lalàna romanina, ny olona nikasi-tanana ny rainy. Samy mampirisika ny ankizy hanaja ray aman-dreny, na ny Soratra Hebreo na ny Soratra Grika.—Eks. 20:12; Efes. 6:1-3.
-
-
Inona no Tsy Itovizan’ny Olona Manompo An’i Jehovah sy ny Tsy Manompo Azy?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2018 | Janoary
-
-
10, 11. a) Inona avy ny toetra ratsy ananan’ny olona tsy tia ny hafa? b) Hoatran’ny ahoana ny halehiben’ny fitiavana asehon’ny tena Kristianina?
10 Niresaka toetra ratsy hafa koa i Paoly, ary hita amin’ilay izy hoe tsy mifankatia ny olona. Tsy hisaotra no toetra notononiny taorian’ny hoe “tsy hankatò ray aman-dreny.” Mety tsara izany satria tsy mankasitraka ny soa atao ho azy ny olona tsy mahalala misaotra. Tsy ho mena-mivadika koa ny olona.
-
-
Inona no Tsy Itovizan’ny Olona Manompo An’i Jehovah sy ny Tsy Manompo Azy?Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2018 | Janoary
-
-
Ho mpanevateva sy ho mpamadika izy ireo, izany hoe hanaratsy olona sy hanaratsy an’Andriamanitra mihitsy.
-